Araka ny efa nampahafatarin-dry zareo avy eo anivon’ilay rafitra vaovao ADPCSE ao anatin’ny Fivondronamben’ireo Sendikan’ny mpiasa Malagasy Revolisionera ihany na ny FISEMARE,
andro vitsy lasa izay, dia notontosaina omaly ilay hetsika fanomezan-dra izay nataon’ireo mpikambana ao anatin’ity vondrona ity tetsy amin’ny hopitaly CHU-JRA RavoahangyAndrianavalona Ampefiloha. Mbola nampatsiahivina hatrany fa ny ADPCSE dia fikambanan’ireo delegen’ny mpiasa eo anivon’ny FISEMARE izay manana tanjona ny hamongorana ny antsojay mahazo ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa hiasany avy. Mahazo manatona anay izay manana olana rehetra na tsy mpikamban’ny Fisemare aza, hoy izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.