Actualités

Rafidinjatovo Zafimahaleo Green Gasikara


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Mampiahiahy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto amintsika Manana ny heviny manokana mikasika ireo savorovoro nitranga teto amin’ny firenena tao ho ao ny Green Gasikara raha ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Rafidinjatovo Zafimahaleo na i Fidison tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly. Tsara ireny firaisankinan’ny mpanao gazety ho famoahana ireo namany nampidirina am-ponja noho ny asany ireny, hoy izy

Mampanontany tena amin’ny ankapobeny kosa ny amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana Malagasy. Tsy namoaka ny lalàna araka ny tokony ho izy ny mpitsara ny raharaha fa nandray didy jadona avy any ambony. Midika izany fa ny madinika ihany no tena tsaraina eto amintsika satria tsy misy mpiaro ary dia any am-ponja no hiafarany. Tsy ara-dalàna ireny ho an’ny Green Gasikara, hoy ity mpitondra teniny ity. Raha ny mikasika ny fitokonan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite indray kosa dia efa hatrany amin’ny fitondrana tetezamita isika no nilaza fa ny tany misy olobe tsy miady zaza. Izao anefa dia tsy misy mihitsy finiavana ataon’ny raiamandreny hifanatona amin’ireto zanaka ireto  fa raha olana misy eo amin’ireo solombavambahoaka dia vetivety dia voaravina. Tsy mba izany ny an’ny mpianatra fa mandeha hatramin’ny fandefasana baomba lakrimozena sy fitifirana mihitsy aza ary mampalahelo fa voahitsakitsaka ny “franchise universitaire”. Tsy miteraka fitoniana anefa izany, raha ny fijerinay Green Gasikara azy, fa mba manan-janaka mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony koa ireo mpitandro ny filaminana ireo ka tokony hieritreritra. Fa zatovo sy tanora zanaka azo anarina tsara ireo mpianatry ny oniversite ireo rehefa antsoina hifampiresaka mazava.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT