Miroso amin’ny famoronana asa ho an’ny mpiara-belona Rafanomezantsoa Jean Nirina,
filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2021 izao. Be loatra mantsy ireo tapi-dalan-kaleha tsy mahita hatao intsony nefa mamelom-bady aman-janaka avokoa ary tsy maintsy mihinana. Olona marobe omaly maraina no tonga namaly ny antso izay natao hiantsehatra amina fambolena sy fiompiana, famakiana vaky, fanamboarana fakana… hahafahan’izy ireny mamelona ny ankohonany. Tsy hihindram-bola amin’ny banky toy ny mahazatra izy ireo fa hiainga amin’ny hatsembohany toy ny fiompiana gana, ny fiompiana trondro hahafahana mahazo vola bolongany hiaingana. Ny fikambanana Hafari Malagasy avokoa no hiantoka izany ety am-piandohana miaraka amin’ny sakafo sy ny filana ilainy isan’andro. Tanjon-dRafanomezantsoa Jean Nirina ny hanampy sy hanafaka ireo mpiara-belona ao anaty fahantrana indrindra fa ho an’ireo manam-piniavana ny hiala amin’izany. Notsiahiviny moa fa amin’ny alalan’ny fikambanana aloha no hanavotana ireto olona ireto saingy afaka miditra ao Soaniedanana misy ilay tanana vaovao eny amin’ny PK 67, lalam-pirenena fahaefatra izy ireo aorian’izany. Notsiahivin’ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity hatrany moa fa ny fiverenana amin’ny tany ihany no hany vahaolana hahafahana miady amin’ny fidangan’ny vidim-bary. Maika ary tokony hotanterahin’ny Fitondram-panjakana araka izany hoy izy ilay tetikasa Bas Mangoky mba hihinanan’ny vahoaka Malagasy vary tsara sady mora fa tsy variana hampiditra vary any Sina hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.