Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny tambazotra miaro ny zon’olombelona, ny Hafari Malagasy, no vahinin’ny Sokela anio. Ifanotofan’ny manana olana amin’ny resaka ady tany sy ireo ianjadian’ny herisetra samihafa ry zareo tao ho ao nefa dia mitady hihatra aman’aina koa izany fiarovana vahoaka izany.
Tia Tanindrazana (TT) : Nahoana no mirohotra manatona anareo ny vahoaka tra-pahasahiranana Atoa Filoha ?
Rafanomezantsoa Jean Nirina (RJN) : Ny endrika tena isehoany dia ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny tompom-pahefana sy ny tahotra ny kolikoly ary ny tsy fahazoana fahafaham-po amin’ny fitarainana ataony ny vahoaka.
TT : Mahavaha ny olana samihafa mianjady amin’ny vahoaka ve ianareo dia inona avy izy ireo amin’ny ankapobeny ?
RJN : Ny resaka ady tany sy fandroahana mponina amin’ny tany nohajariana an-taonany maro ary ny herisetra ao an-tokantrano sy fanolanana zaza tsy ampy taona no tena betsaka tonga ao aminay. Misy fanitsakitsahana zon’olombelona eto amintsika ary efa ao anaty tambazotra mihitsy ity resaka ity ankehitriny. Na dia ny zava-bitika indrindra aza dia ahitana “trafic d’influence” izay hoe tsy tafavoaka raha tsy mahalala olona. Ary ny mahay lalàna ihany no mandika lalàna amin’ny ankapobeny. Raha tsorina dia matory ny vahoaka ka mamoha an’izay izahay no dikany.
TT : Mahazo fahafam-po avokoa ve izay rehetra tonga ao aminareo ary tsy atahorana hihatra aman’aina ity asa ataonareo ity ?
RJN : Ny hoe mahazo fahafam-po 100% tsy misy fa izay rehetra nampiana kosa dia mba nisokatra ho azy ireo avokoa ny birao sy nanomezanay toromarika azy ireo. Ny marina dia nanomboka tamin’ny fandravana ny tsenan’Anjomà ny fahasahiranam-bahoaka ka nanomezana vahana ireo mpivarotra sinoa. Ady atao amin’ny vahiny ao an-damosin’ireny olana samihafa ireny no atao ka tsy maintsy misikim-ponitra ny tena. Mihatra aman’aina ny fiarovana ny vahoaka sy fampahafantarana azy ny zony nefa ankinina amin’Andriamanitra izany fa ny tena mino tsy maty tsy amin’ny androny izany.
TT : Inona no tena zava-misy marina amin’ity harenan’ny Malagasy ity e ?
RJN : Misy fizarana harena tsy mitovy eto amintsika fa mahazo tombony hatrany ny vahiny. Manjakazaka tanteraka eto izy ireo ary ny avara-pianarana sy ny mpanambola dia mampahory ny Malagasy iray rà aminy. Mila mifoha sy mandray andraikitra ny rehetra, fa be ny mandry fotsy. Ny tsindrihazolena sy herisetra isan-karazany manginy fotsiny. Tsy misy fahaleovantena marina izany eto, mahatsiaro ho tsy misy mpijery ny vahoaka satria tsy ara-drariny ny zava-misy. Masina anefa ny tanindrazana fa ny atao rehetra tsy maintsy hisy valiny avokoa. Izao Andriamanitra izao dia tsy mba miangatra. Fa tsy mahasoa ny harena azo amin’ny tsy rariny.
TT : Ka tsy andraikitry ny mpanao politika ve ny miharo ny tombontsoan’ny vahoaka eto amin’ny taniny ?
RJN : Tsy mahay manetry tena ny mpanao politika Malagasy sy ny Kristianina amin’ny ankapobeny, betsaka ny fihatsaram-belatsihy. Ilaina ny fanajana ny soatoavina Malagasy ary ny rehetra dia tokony hijoro tsy hanaiky ny fanitsakitsahana ny zon’ny hafa intsony. Raha tena ampiharina ara-bakiteny ny lalàna dia ho feno ny fonja eto amintsika ka hanahirana, nefa raha tena ampiharina koa izy io dia hampisy filaminanana. Manana andraikitra amin’ny tsy fivahan’izao krizy ny Vondrona iraisam-pirenena ka mahatonga ny fanontaniana mipetra hoe : sao dia manana tombontsoa manokana amin’izao zava-misy izao ary ny SADC no mampitarazoka azy ity ?
TT : Ahoana ny hevitr’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ny Hafari Malagasy amin’ny vaovao farany nanoloana ny CES sy ny fizorana amin’ny resa-pifidianana ?
RJN : Toa tsy fantatry ny manao azy ny tena “valeur”-n’ny fianianana ataony na eo anivon’ny mpitsara izany na ireo tompon’andraikim-panjakana samihafa nanao izany. Raha tsy mahatsiaro izany anefa ny rehetra tsy hisy raha hanjary izany eto. Tsy mba ao anatin’ny sain’ireo mpanao politika ny hidina hijery ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy mahatsapa ny “valeur” maha-olona ireo raha tsy akaiky ny fifidianana. Ary rehefa vita izany dia ho avy ny didy jadona. Lasa atao biby fampitahorana ny fonja. Ao anatin’izany fihafiana izany ny Malagasy dia mahari-pery. Mitombo an’isa izy tsy izy ny mahantra. Tandremo anefa fa rehefa hitroatra izy tsy ho voatana.
TT : Mety misy vahaolana manokana mba atolotry ny Hafari Malagasy ve amin’izao fiainana mihasarotra andro aman’alina izao ?
RJN : Sarobidy ny fihavanana ka tsy maintsy katsahina io. Ny tsodrano dia zava-mahery ary tena nahitan’ny tenako sy ny Hafari Malagasy tarihako firoboroboana sy nahavitanay zavatra maro izany. Tena nampitraka anay ary nanampy anay tokoa io tsodrano io. Tena lesoka lehibe ny fampirisihana ny olona ho tonga aty an-tanàn-dehibe. Mila foto-drafitrasa sy rafitra matotra ho azy ny tontolo ambanivohitra ka mba havadika ny rasa fa izay avy aty an-drenivohitra indray no midina mitoetra any ambanivohitra amin’ny ho avy. Aminay Hafari Malagasy dia tokony hilatsaka handalo fitsaram-bahoaka ho fidiana daholo ireo be vava rehetra ireo mba hijerena ny tsy fahazoany vato afa-tsy 1000 raha be indrindra.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.