Actualités

Rado Rabarilala “Ny rafitra sy ny mpitantana mihitsy no mila hatsaraina”


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Tsy nahenoan-teny ny mpanamory sady mpitondra tenin’ny sendikan’ny mpiasa Air Madagascar Rado Rabarilala, taorian’ny niakarany Fitsarana. Sendra ny Tia Tanindrazana izy omaly ary nanaiky nitafa fohy taminay.

 

Tia Tanindrazana (T.T) : Ahoana ny hevitrao momba ny fanoloana ireo mpitantana eo anivon’ny Air Madagascar ?

Rado Rabarilala (R.R) : Tsy ireo mpitantana na ireo ao amin’ny Filankevi-pitantanana no tena tanjon’ny tolona fa ny hampiharina indray ny orinasa Air Madagascar.  Tokony hanana fahaleovantena io orinasa lehibe, izay iankinan’ny toekarena malagasy io. Tsy tokony hiankina amin’ny mpitondra sy ny fanjakana ny politika fampandrosoana azy. Tsy mihoatra an’izay koa anefa ny zavatra kendrenay. Maro mantsy ny olona no mihevitra hoe miady amin’ny Fanjakana izahay na hoe ny tenako. Ny rafi-pitantanana no hitako fa tsy nahomby ary sendra nifanandrify tamin’izay ny mpitantana teo aloha, izay azo lazaina ihany koa fa naka fanapahan-kevitra tsy nifanojo tamin’ny filan’ny orinasa. Averiko indray fa tsy miady na manohitra olona izahay fa miady hanovana ny fomba fitantanana ny orinasa.

 

T.T : Ahoana indray ny fijerinao ireo mpitantana vaovao ?

R.R : Marihiko aloha fa tsy mbola naheno ny tenako izay olona napetraka vaovao ao. Averiko indray anefa fa tsy ny olona no zava-dehibe, fa ny fampiharana ny lalàna izay tokony hifehy ka hampandroso an’ilay orinasa. Tsy tokony hidiran’ny loko politika ihany koa ny fitantanana ireny orinasa lehibe ireny raha ny fanirianay. Fa tokony izay mba olona manana traikefa sy fomba fijery tena hita fa mahomby. Sanatria akory tsy mitady toerana izahay fa ny zava-nisy no tsikaritra fa ny loko politika no mandeha aloha rehefa hisafidy mpitantana ny orinasa ny fitondrana.

 

T.T : Efa misy ary ve soso-kevitra mivaingana atolotrareo amin’ilay fanovana rafitra ?

R.R : Efa nataonay daholo ny soso-kevitra hanatsarana ny fitantanana. Ohatra hoe efa mba nandray anjara nitady fiaramanidina izahay ary natolotra ny mpitantana tamin’izany fotoana. Na dia tsy anjaranay aza izany dia mba naneho ny hevitray ihany izahay satria tamin’izany fotoana izahay no efa nahita fa vao mainka hiteraka olana ireto fiaramanidina mandany solika be izay efa tsy misy mpampiasa eran-tany ireto.

 

T.T : Ahoana ny tohin’ny fandroahana nisy taminareo mpitarika ?

R.R : Efa entina eny anivon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampandraharahan’ny asa izy ankehitriny. Heverinay fa tsy rariny mihitsy izy ireny, satria raha nitaky ny fanatsarana izahay amin’ny maha mpiara-miasa anay dia fandroahana sy fanagadrana no azo. Raha izaho manokana dia tsy hitaky onitra na dia azoko atao tsara aza izany tamin’ireny fanagadrana nahazo ireny, fa ny hany angatahana dia ny fametrahana rafitra tsy hamalifaliana ireo lehibe mpitantana fa kosa hampandroso ny orinasa, izay antsika Malagasy manontolo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT