Actualités

Radio Vaovao Mahasoa 106.8 FM Hankalaza ny faha-20 taonany anio


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Hankalazaina anio sabotsy 28 oktobra ny faha-20 taona niorenan’ny Radio Vaovao Mahasoa (RVM) 106.8 FM, onjam-peo ara-pilazantsara, naorin’ny Mpanompovavin’Andriamanitra Marthe Hervé.

 Lohahevitry ny fankalazana ny hoe : “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho”.  Eny amin’ny Institution Marthe Hervé Ankasina no hanatanterahana azy io, ka hosantarina amin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana manomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 11 ora. Olom-piangonana sy olo-manankaja maro no nasaina hanatrika azy ity, anisan’ireny ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, izay tsy mbola fantatra aloha na ho avy na tsia. Nahazo fanasana ihany koa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, izay efa nilaza fa hanatrika ny lanonana, raha ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny mpanompo vavy Marthe Hervé. Nahazo fanasana ihany koa ny olona akaiky ny filohan’ny tetezamita teo aloha,  toa an’i Christine Razanamahasoa izay ho avy. Tsy adino ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana, ny ARTEC, ny OMDA amin’ny maha mpiahy voalohany ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery azy. Hisy ny lahateny hataona manampahefana sy tompon’andraikitra maromaro. Ny fitoriana ny filazantsara moa no tena hilofosan’ny onjam-peo RVM, saingy  nisy ny fanasana nomena ireo mpanao politika, izay nezahina hisy solontena avy, ka mety haneho ny ny endrika fampihavanana sy fihaonana ho an’ireo tsy mitovy fomba fijery ara-politika ihany koa ity fankalazana anio ity.,…. Aorian’ny fotoam-pivavahana, dia hisy ny fandaharana an-tsehatra, fampisehoana ataona mpanakanto ara-pilazantsara, fijoroana vavolombelona hataon’ny mpihaino sy mpankafy RVM, tantara an-tsehatra,…Ny Gazety Tia Tanindrazana dia miarahaba manokana ny Radio Vaovao Mahasoa amin’izao fahatrarany ny faha-20 taonany izao, ary mirary fahombiazana hatrany amin’ny adidy hiantsorohany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT