Niavaka ny fankalazana ny faha-13 taona nijoroany ny Radio Rakama na Radio Diosezin’i Farafangana afak’omaly tany amin’ny diosezin’i Farafangana.
Ny taona 2001 ity onjam-peo katolika mitondra ny halavan’ny onjam-peo 90,6 FM ity no niforona ary mifototra amin’ny fampielezana ny fampianarana araka ny fivavahana katolika sy ny fanabeazana aram-piarahamonina no tena niandraiketany. Mpanao gazety roa no tena niandraikitra ity onjam-peo ity dia ny namana Tsabotokay Honoré izay depioten’i Vohipeno amin’izao sy Andriatsizakaina Elson Vincent mpisava lalana. Matanjaka ity Radio Rakama ity satria Distrika sivy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany no mandre azy, dia i Befotaka, Ikongo, Farafangana, Vondrozo, Ihosy, Ambalavao, Midongy Atsimo, Vangaindrano ary Manakara. Mompera Herman no mitantana ny radio amin’izao fotoana izao, raha Mompera Rafanomezantsoa nanangana ity radio ity ny 3 jona 2001 tao Vohipeno.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.