Actualités

Radio des Jeunes Feno 11 taona anio


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Feno 11 taona katroka anio sabotsy 19 Jolay ny Radio des Jeunes na « RDJ ». Hiavaka tsy toy ny mahazatra ny fandaharana anio satria dia hiompana amin’ny fampandraisana anjara ny mpihaino ny ankamaroan’ny fotoana

. Hiakatra hanao fanentanana anaty fandaharana
avokoa mantsy ny mpiasa rehetra, raha araka ny fanazavan’ny filoha
mpanorina azy Tahiana Rasolojaona. Hisy ny fizarana loka maro samihafa
ho an’ny mpihaino mandray anjara mandritra izany, amin’ny alalan’ny
antso an-tariby. Ankoatra io fotoana miavaka  anio io dia hisy ihany
koa ny hetsika miavaka karakarain’izy ireo ny 22 sy ny 23 Aogositra ho
avy izao na ilay antsoina hoe : « smile party » izay feno 10 taona,
hanasana mpanakanto fanta-daza avy any ivelany sy ireo namana maro
samihafa eto an-toerana. Antananarivo no handray izany ny andron’ny 22
Aogositra raha anjaran’Antsirabe kosa ny 23 Aogositra. Anisan’ny
nampiavaka ny RDJ moa nandritra izay 11 taona nisiany izany ny
fitombon’ny isan’ireo mpihaino azy ka anisan’izany ireo diaspora
Malagasy any ivelany. Teo ihany koa ny fahatafidiran’ny onjam-peo
anatin’ny satellite any amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana sy
ireo Nosy rahavavy hafa manodidina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT