Rabetsara Lita

Navela namita adidy farany amin'ny vady andefimandriny


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

Mbola mamita sazy any am-ponja i Rakotorova Rabetsara na Lita

izay filohan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC no sady mpikamban’ny filankevim-pitantanan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA nialohan’ny nampidirana azy tany am-ponja, fa nivoaka kely nanao veloma sy namita adidy farany amin'ny vady andefimandriny izay nindaosin'ny fahafatesana, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Efa tsy salama nandritra ny fotoana lavalava ny vadin'i Lita saingy tsy nanaiky fa nanatitra sakafo ho azy isan'andro foana, hoy ny fanazavàna. Reraka araka izany izy ary nitarika aretim-po ho azy koa ny fiandrasany ny fahafahako ny fonja noho ny heloka tsy nataoko, hoy i Lita, nitantara tamin-dranomaso ny zavamisy. Niafara amin'izao fahafatesan'ny vadin'i Lita izao ny zava-nitranga. Ny sabotsy alina lasa teo moa no nodimandry i Randimbisoa Yolande, vadin'i Rakotorova Rabetsara na Lita, raha ny tsiahim-baovao nandritry ny fandevenana azy omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT