Naneho ny heviny mikasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika Rabetsara Lita, mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Nambarany fa tena tampoka tamin’ny rehetra tokoa iny fiakaran’ny vidin-tsolika iny, eny fa na dia ho azy manokana aza. Tokony hampiharina amin’izay, hoy izy, ny lalàna mifehy ny zon’ny mpanjifa eto amintsika hisorohana ny fiakarana tampoka tahaka izao. Efa nanaiky ny hampihatra izany isika, hoy hatrany izy saingy ny fampiharana no tsy mbola misy. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy mbola nahitana fiakarana ny vidin’ny barila any ivelany nefa ny vidin-tsolika eto amintsika miakatra izay notsindriany manokana fa fandavahana ny vahoaka malagasy. Mikasika ilay raharaha Air Madagascar indray moa dia nambarany fa tsy tokony hotapenam-bava ireo izay miezaka milaza ny marina. Ny fanjakana aza no tokony hilaza amin’ny vahoaka ny resa-bola ao amin’ity orinasa ity satria hetra naloan’ny vahoaka no mampiodina io orinasa iray io, hoy zy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.