Actualités

Rabesa Zafera Tsy voahaja ny mangarahara sy ny lalŕna velona


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

Tsy mitana ny andraikitry ny maha filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga azy intsony nanomboka ny sabotsy 09 aogositra 2014 teo ny profesora Rabesa Zafera Antoine. Tsy fantatra mazava anefa mandrak’ankehitriny ny antony nanalan’ny filankevitry ny minisitra azy eo amin’io toeran’ny fitantanana ny anjerimanontolo ao Mahajanga

Ny zava-misy aloha hatreto dia tsy nampivaha ny olan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpiasa sy mpandraharaha ao an-toerana ity fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana mahefa ity. Ho an’ity filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga teo aloha ity dia faniriany ny hahafantatra mazava ny antony nanesorana azy teo amin’ny toerany. Fepetra tokana no voalazan’ny lalàna fa antony tsy maintsy hanalana tompon’andraikitra mpitantana ivontoeram-pampianarana ambony tahaka ny oniversite dia ny fananana porofo mivaingana ny amin’ny fisian’ny hadisoana bevava nataon’ilay prezidan’ny oniversite nandritra ny fitantanany. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana satria tsy nisy fanazavana matotra avy amin’ny minisitera mpiahy na koa ny fitondram-panjakana. Amin’ny profesora Rabesa Zafera Antoine dia tsy voahaja ny mangarahara sy ny lalàna velona tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana farany teo mifehy  ny anjerimanontolo, araka ny voalazan’ny andininy faha-25. Andrasana noho izany izay mety ho fanampim-panazavana avy amin’ny manampahefana Malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT