Tsy mitana ny andraikitry ny maha filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga azy intsony nanomboka ny sabotsy 09 aogositra 2014 teo ny profesora Rabesa Zafera Antoine. Tsy fantatra mazava anefa mandrak’ankehitriny ny antony nanalan’ny filankevitry ny minisitra azy eo amin’io toeran’ny fitantanana ny anjerimanontolo ao Mahajanga
Ny zava-misy aloha hatreto dia tsy nampivaha ny olan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpiasa sy mpandraharaha ao an-toerana ity fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana mahefa ity. Ho an’ity filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga teo aloha ity dia faniriany ny hahafantatra mazava ny antony nanesorana azy teo amin’ny toerany. Fepetra tokana no voalazan’ny lalàna fa antony tsy maintsy hanalana tompon’andraikitra mpitantana ivontoeram-pampianarana ambony tahaka ny oniversite dia ny fananana porofo mivaingana ny amin’ny fisian’ny hadisoana bevava nataon’ilay prezidan’ny oniversite nandritra ny fitantanany. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana satria tsy nisy fanazavana matotra avy amin’ny minisitera mpiahy na koa ny fitondram-panjakana. Amin’ny profesora Rabesa Zafera Antoine dia tsy voahaja ny mangarahara sy ny lalàna velona tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana farany teo mifehy ny anjerimanontolo, araka ny voalazan’ny andininy faha-25. Andrasana noho izany izay mety ho fanampim-panazavana avy amin’ny manampahefana Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.