Mpanakanto mpanao kolontsaina nipoitra avy any amin’ny faritr’Itasy ny tena, hoy i Rabehaja Jean France Wisco na Rabejean Sodina vava.
Zanaky ny faritr’Itasy mihitsy no dikan’izany, hoy izy, satria teraka tao amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Ankizy ao anatin’ny distrika miisa 3 mandrafitra ny faritra Itasy koa ny ankamaroan’ireo mandrafitra ny tarika Rabejean Miarinarivo dia ny distrikan’i Soavinandriana, Miarinarivo, Arivonimamo. Misy ankizy avy eto Antananarivo koa nefa manatevin-daharana ao. Toy ny valalan’amboa ny kolontsaina malagasy amin’izao fotoana izao. Ny tompony aza tsy tia. Efa zary ambany maso tsy tazana toa vatan’orona na itodian-tsy hita toa ravin-tsofina. Somary mampalahelo ihany izay dia nanapa-kevitra ny tena hoe aleo mba hijoro ny tanora. Tsy misy ratsy ny mozika. Misy kosa anefa ireo mitondra hafatra sy anatra ho an’ny mpiara-belona. Izay no atao hoe zava-kanto aman-kolontsaina. Raha samy hanao mozika ihany ve tsy aleo ny an’ny tena no asandratra? Izay no nisafidianana hoe andao hanangana tarika mivoy ny kolontsaina sy vako-drazana malagasy. Latsaka ambany dia ambany ny kolontsaina malagasy amin’izao fotoana izao. Babon’ny rivotra vahiny entin’ny fanatotoloana ny tanora. Ny lehibe koa moa tsy mipetraka ho tomponandraikitra mifehy intsony fa somary mialangalana ihany manoloana ny zava-misy. Isika ihany no eran’io. Rehefa vonona isika hoe andao harenina ilay kolontsaina dia mipetraka ny maha izy azy ny malagasy. Rehefa isika no mialangalana lasa maka ny an’olona dia voa mafy satria manafoana tsikelikely ny maha malagasy antsika izany zavatra izany. Ny mpaka tahaka tsy ho tompony na oviana! Hafa mihitsy, noho izany, ny hoe ny hira gasy, ohatra, indray androany, mba hitovy laharana amin’ny Hip hop amerikanina na mozika vahiny hafa maneran-tany. Tiavo ny antsika fa ny an’ny hafa tsy omeny, hoy hatrany ity mpitarika ny Rabejean Miarinarivo ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.