“Atahorana ny fitroaran’ny vahoaka mahantra noho ny zava-misy ankehitriny», hoy Atoa Rabe Landry, mpahay toekarena sady mpandraharaha. Aoka tsy hieritreritra ny mpitondra ankehitriny, hoy ity farany, fa tsy hoe resy ny vahoaka tsy mandady harona rehefa tsy miteny.
Misy fetrany ny fandeferana ka rehefa mitroatra eo izy dia tsy mila mpitarika izany fa hanapotika tanteraka. Ary raha sanatria tonga eo izany dia tsy tana intsony fa ho mafimafy noho izay niseho rehetra hatramin’ny 1971, 1975, 1980, 1981, 2001 ary ny 2009. Ny manarina azy no tena olana be avy eo. «Ilay maha izy azy antsika no very», hoy ity mpahay toekarena ity, tsy misy fifandaminana mitranga fa fankahalana olona no betsaka eto. Taloha nisy ny rafitra mazava nahafahan’ny mpandraharaha niditra an-tsehatra teo amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy. Amin’izao fotoana izao efa sarotra ny fidirana amin’izany.
Tsy manana antoka ny olona, ny asa foronina tsy misy, ny mpandraharaha tsy sahy rahateo manao fampiasam-bola. “Tsy fiarovana be fahatany ny tompon’ny orinasa fa azo ambara ho taratry ny firoborobon’ny toekarena Malagasy hatrany ivelany ny fisian’ny orinasa TIKO teto amintsika. Ny fanapotehana azy dia midika fanapotehana ny maha Malagasy ny Malagasy. Fijerina mpahay toekarena amin’ny maso tsy miangatra izany. Faharoa, be ny zava-bita teto toy ny fanorenan-trano ho an’ny mponina, ny fananganana hopitaly, fikarakarana ny fampianarana, ny resaka ara-tsakafo nisian’ireny antsoina hoe revolisiona maitso ireny nefa nankaiza daholo izany ankehitriny ?
Nisy ny “Observatoire du riz” nanara-maso ity fampiakarana vidim-bary mahazendana ity, nankaiza koa izany ? Noho ny krizy ara-toekarena dia tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Be loatra ny vola mivoaka amintsika noho ny miditra satria tsy manao fanondranana entana firy isika noho ny toe-java-misy nefa manafatra sy mampiditra entana rendrarendra toy ireo fitaovana manara-penitra amin’ny resaka elektronika sy ireo fiara hiaka farany toy ny “Hammer H2” … “Mila fandanjalanjana tsara ilay fanovana tian-katao”, hoy Atoa Rabe Landry.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.