Actualités

Rabe Landry “Misy fetra ny fandeferana fa hitroatra ny vahoaka”


  • Alarobia 16 Febroary 2011

“Atahorana ny fitroaran’ny vahoaka mahantra noho ny zava-misy ankehitriny», hoy Atoa Rabe Landry, mpahay toekarena sady mpandraharaha. Aoka tsy hieritreritra ny mpitondra ankehitriny, hoy ity farany, fa tsy hoe resy ny vahoaka tsy mandady harona rehefa tsy miteny.

Misy fetrany ny fandeferana ka rehefa mitroatra eo izy dia tsy mila mpitarika izany fa hanapotika tanteraka. Ary raha sanatria tonga eo izany dia tsy tana intsony fa ho mafimafy noho izay niseho rehetra hatramin’ny 1971, 1975, 1980, 1981, 2001 ary ny 2009. Ny manarina azy no tena olana be avy eo. «Ilay maha izy azy antsika no very», hoy ity mpahay toekarena ity, tsy misy fifandaminana mitranga fa fankahalana olona no betsaka eto. Taloha nisy ny rafitra mazava nahafahan’ny mpandraharaha niditra an-tsehatra teo amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy. Amin’izao fotoana izao efa sarotra ny fidirana amin’izany.

Tsy manana antoka ny olona, ny asa foronina tsy misy, ny mpandraharaha tsy sahy rahateo manao fampiasam-bola. “Tsy fiarovana be fahatany ny tompon’ny orinasa fa azo ambara ho taratry ny firoborobon’ny toekarena Malagasy hatrany ivelany ny fisian’ny orinasa TIKO teto amintsika. Ny fanapotehana azy dia midika fanapotehana ny maha Malagasy ny Malagasy. Fijerina mpahay toekarena amin’ny maso tsy miangatra izany. Faharoa, be ny zava-bita teto toy ny fanorenan-trano ho an’ny mponina, ny fananganana hopitaly, fikarakarana ny fampianarana, ny resaka ara-tsakafo nisian’ireny antsoina hoe revolisiona maitso ireny nefa nankaiza daholo izany ankehitriny ?

Nisy ny “Observatoire du riz” nanara-maso ity fampiakarana vidim-bary mahazendana ity, nankaiza koa izany ? Noho ny krizy ara-toekarena dia tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Be loatra ny vola mivoaka amintsika noho ny miditra satria tsy manao fanondranana entana firy isika noho ny toe-java-misy nefa manafatra sy mampiditra entana rendrarendra toy ireo fitaovana manara-penitra amin’ny resaka elektronika sy ireo fiara hiaka farany toy ny “Hammer H2” … “Mila fandanjalanjana tsara ilay fanovana tian-katao”, hoy Atoa Rabe Landry.

 
Soso-kevitra
 “Mila manova toe-tsaina politika ny Malagasy ka tokony hiaiky fa rehefa tsara dia tsara. Tsy nisy mihitsy naharatsy ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP), ohatra, satria raha ho an’ny amin’ny fampandrosoana isika dia tafiditra ao ny singa valo takian’ny vina ampiharin’izao tontolo izao. Ary na iza na iza hitondra eo dia tsy ho afa-miala amin’io mihitsy. Raha ny anarana hoe MAP no manahirana dia azo ovaina hafa izany”. Mikasika ilay sori-dalana narafitr’i Simao farany teo dia “tokony hisy tovana izy iny”, hoy ity mpahay toekarena ity, io tovana io no hamaritra mazava ny fanatanterahana izay voalaza ao anatiny. “Tsy vitan’ny olona iray na roa ny fivoahana amin’ny krizy sy fanarenana ny firenena”, hoy Atoa Rabe Landry.
 
Manohy
 
SARY : Rabe Landry, mpahay toekarena

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT