Actualités

Rŕ nandriaka tany Mahajanga Efa-dahy matin’ny scooter


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Nandriaka ny ra ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo

 

. Efa-dahy mpinamana nitondra moto iray nanao taingim-be no indray nidona tamina fiara BMW manoloana ny “gymnase couvert” Mahajanga. Vokany, maty tsy tra-drano ny telo lahy nitaingina io moto io ary ny iray tamin’izy ireo olona mihazakazaka maraina. Raha ny fanazavana avy amin’ireo nanatri-maso dia nandeha mafy ireto telo lahy ireo mpitongra moto ka tsy nahatazona hisatra intsony ny mpitondra azy ireo ka dia nifatratra tamin’ilay fiara BMW. Mpivady avy nitsangantsangana no tao anatin’ilay fiara ary bevohoka ilay ramatoa. Naratra mafy izy mivady ireo vokatry ny loza niseho.  Ireo mpivady dia nentin’ireo nanatri-maso tany amin’ny hopitaly. Araka ny loharanom-baovao farany izay voarainay dia mamo ireo telo lahy nitondra moto ireo. Nahazo vahana tanteraka ny lozam-pifamoivoizana tao Mahajanga tato ho ato izay satria dia mitombo isan’andro ireo manana moto sy bajaj ka ilaina hatrany ny fitandremana. Ireo mpamily rahateo tsy mahafehy ny hafainganan-pandehan’izy ireo rehefa mahazo lalana tsara, na rehefa avy nisotrosotro.

 


Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT