Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.
Tonga teny amin` ny CCO faritra Anósy tao Taolagnaro omaly ny orinasa Rio Tinto QMM nanolotra fitaovana toy ny fiara “ambulance” miaraka amin`ny mpamiliny, fiara 4x4 miisa roa sy fitaovana ara-pahasalamana toy ny potences à sérum… Ny CCO Farira Anósy kosa dia nisitraka efitrano maromaro afaka mizaka marary maro an`jatony na voamarina io na koa atao fitiliana fotisny. Marihana fa ny orinasa Rio Tinto QMM no niantoka ny fanarenana sy famatsiana herinaratra sy rano fisotro madio an `ity CCO COVID-19 any Taolagnaro ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.