Nivoaka tamin ny fomba ofisialy ireo mpiofana 26 nomena fiofanana ny zoma tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan'ny tetikasa Fasimainty sy ny MRL Himo avy any Antsirabe. Fiofanana naharitra enim-bolana izy io. Nialohavana lesona ary narahana fampiharana. Asa rafitra hazo, fanamboarana trano fametrahana herinaratra ..
Ireo no niompanan'ny fiofanana. Ho fanomezana traikefa ombam-pahalalana mahakasika ny asa tanana no natao tamin'izany. Voporofo izany tamin'ny alalan’ny fanarenana ireo tranon’ny mponina ao Elafitsignana kaominina ambanivolon’i Sonierana. Ity kaominina iray ity izay anisan’ny mahazo tombony amin’ny tetikasa fasimainty. Trano miisa 81 no nohatsaraina. Tsy nampitsangamenatra ny asa vitan’ireo tanora 26 ireo. Samy nizarana mari-pankasitrahana avokoa ireo mpiofana. Samy nidera ny ezaka vitany na ny mampiofana na ny mpamatsy ara-bola. Izao fampiofanana izao, hoy ny mpandahateny dia tafiditra indrindra amin ny fanomezana asa an’ireo tanora tsy avy ao Elafiatsignana ihany. Naniry ireo mpiofana ny mba hanomezana asa azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.