QC Star nilaza fa mampiasa “robot”

Fahasahiana tsy roa aman-tany


  • Zoma 29 Desambra 2023

Anaty fahantrana lalina tokoa angamba isika malagasy ka dia marolafy ny endrika ny endrika

fanararaotana sy fanambakana zary mahazo laka miresaka fampidiram-bola tsy nisasarana. Nanaitra ihany ny fahasahiana tsy roa aman-tany hita tamin’ilay vovonana mpisehatra amin’itony milaza azy ho ivom-pamokaram-bola toy ny QC Star itony, izay nilaza fa mampiasa “robot” na olom-by. Nisy nino tokoa moa ilay izy ary nahavita nandrotsaka ilay petra-bola 25 Dolara fara-faha keliny tao anatin’izany rehetra izany. Nambaran’ilay vovonana fa in-dray isan-taona izany vola izany no aloha nefa ilay izy aza ity nisy tsy naharitra 1 volana akory dia nijoboka, veloma lava, hoy ny fomba fiteny izay. Rehefa feno 5 Dolara ao anatin’ny herinandro, hoy ilay fanazavana, ny ao anatin’ilay tahiry dia azo esorina ary manetsika “robot” iray indray fa tsy voatery mampiditra olona. Eto Madagasikara angamba na dia atao firenena farany mahantra dia heverina fa ny olona manana 25 Dolara fara-fahakeliny foy hanaovana fitadiavam-bola tsy hisasarana tahaka itony dia mba isan’ireo manana fahafahana hikirakira tekinolojia sy aterineto ihany. Tsy voatery handalina be fa na mijery kely ao amin’ny tambazotra “Google” fotsiny aza hoe ahoana, ohatra, ny fomba fiasan’izany Bitcoin na rehefa antsoina hoe “cryptomonnaie”, izany hoe fikirakirana vola dizitaly izany dia efa tokony hahita fa fitaka bevava toy ny teo alohany rehetra, tahaka an-dry Antares sy ny tariny, indray ity manaraka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT