PUBLI-REPORTAGE

Fikarakarana taratasim-panjakana, famoronana orinasa


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Anisan’ireo mpandray anjara sy mpanohana ny fampiratiana lehibe iraisam-pirenena ho an’ireo mpisehatra ara-toekerana na SIAE (Salon International des Acteurs Economiques) tanterahana etsy Stade Barea Mahamasina nanomboka omaly 4 jona hatramin’ny sabotsy 7 jona izao ny AXCEL COMPANY. Orinasa tsy miankina mijoro ara-panjakana novolavolaina tanora Malagasy vao erotrerony, miezaka mitondra zava-baovao ho an’ny fandraharahana eto Madagasikara. 12 miandahy izy ireo no miara-misalahy mampiodina azy, saingy efa manana mpiara-miasa manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara. Niorina tamin’ny taona 2022 ny Axcel Company, sokajiana ao anatin’ny hoe : « activité innovante » ny fandraharahana ataony satria mitondra zava-baovao amin’ny lafiny fandraharahana sy tolotra ho an’ny mpanjifa. Isan’ny tena iasan’izy ireo ny fakana ny taratasy ara-panjakana tahaka ny hoe : kopiam-pahaterahana, acte de mariage, certificat d’existence, Diplaoma, RCS,… Tahaka izany ihany koa ny tontolon’ny famoronana orinasa : Sarl, SARLU, entreprise individuelle,…
(SARY 1)

MANAMORA NY FANDANIAM-POTOANA
Ny tanjon’ny Axcel dia tsy misy fivezivezena ho an’ny olona rehetra. Raha mila kopia ohatra kanefa teraka tany Vondrozo ohatra, dia mety ho lany fotoana be ny olom-pirenena iray amin’ny fikarakarana izany, ka afaka mandray an-tanana izany ity orinasa ity, ary ateriny an-tanana hatrany an-tokantrano. Raha misy olona iray ohatra lasa nivoaka any ivelan’i Madagasikara amin’ny resaka asa na fianarana kanefa misy dosie ilainy ohatra any Iakora, na eto Antananarivo ihany koa aza kanefa tsy afaka mikarakaraka izany ny fianankaviany, dia raisin’ny AXCEL an-tanana. Miantso an’ity orinasa ity fotsiny dia izy ireo no manao ny dingana rehetra. Manana Kaompania an’habakabaka miara-miasa aminy ny orinasa manamora ny fandefasana azy. Allemagne, France, Canada, Dubaï, Chine, Russie no efa ananan’izy ireo fahafahana manatanteraka izany. Mandray ny tolotra rehetra na ho an’ny olon-tsotra, fa indrindra indrindra ny orinasa satria betsaka ireo orinasa manao famandrihana amin’ny resaka « service de coursier » izay misy ny mampiavaka azy toy ny hoe matihanina manokana amin’ny fikarakarana taratasy. Misy banky ohatra mampikarakara ireo dosien’ireo olona hanao findramam-bola noho ny taratasy maro takiana toy ny : attestation de responsabilité civile, certification samihafa,… Amin’ny maha matihanina azy, dia manampy ny AXCEL hoe : misy zavatra iray atao dia atsy ny fakana azy, ity no tsy ampy, ireto ny dosie ilaina raha te hahazo an’ireto,… araka ny fanazavan’i Ambininjanahary Fenotsiky Stephen mpitantana sady mpiara-manorina ny AXCEL COMPANY
SARY 2

MANAMPY AMIN’NY FAMORONANA ORINASA
Manampy olona amin’ny fananganana orinasa, izay no hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny Banky vitsivitsy toy ny Accès Banque. Misy olona ohatra, manao fihariana tiany hajoro ara-panjakana na misy te hanitatra ny asany, kanefa mila findramam-bola amin’ny banky, dia manao tan-tsoroka ny Axcel satria ny banky tsy hamatsy vola raha tsy ara-dalàna ilay fandraharahana na fivelomana, toy ny hoe : épicerie, cash point,… Vao manomboka ny vinavinan’ilay olona hoe : manana vola tahaka izao sy izao, dia efa manoro ireo dingana tokony harahina na ara-taratasy na ara-panddraharahana mba hisian’ny fahombiazana ny AXCEL, manamora ny fikarakarana ara-taratasy. Manampy hatrany amin’ny fanaovana toromarika toy ny « déclaration fiscale » raha misy lesoka na olana any amin’ny orinasa. AXCEL no orinasa voalohany tena manatona ny mpanjifa, ka raha hanangana hotely any Foulpointe ohatra, dia miara-midina an-tsehatra mihitsy fandalinana mba hampahomby ny tetikasa, tahaka izany ihany koa ohatra ny fananganana sekoly, fanitarana ny fandraharahana,…
Sary 3

BETSAKA NY MALAGASY LIANA SY TE HANARA-DALANA
Tany am-piandohana, fisintonana mpampiasa vola sy mpandraharaha vahiny handraharaha eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fampiasana « plateforme » iray no nironanay tany am-pamoronana ny orinasa. Anisan’izany ohatra ny fiantsoana vahiny hananganana « agence de voyage », fanafarana moto sy fiara,… fa tsy nampoizinay hoe : rehefa tena nandeha ilay « activité » dia lasa ny Malagasy no betsaka nanantona anay, betsaka kay ny Malagasy te hanara-dalàna,… Aty aoriana lasa ny Malagasy no maro an’isa amin’ny mpanjifanay satria 60% eo ny teratany amin’izao, raha 40% ny vahiny, hoy hatrany i Ambininjanahary Fenontsiky Stephen.
FANDRAHARAHANA SY FIHARIANA 580 NANOMBOKA NY 2022
Nanomboka ny 2022, teo amin’ny 580 ireo karazana fandraharahana sy fihariana naorina teo amin’ny Axcel ka ny 90 tamin’ireo ao anatin’ny sokajina orinasa na « Société » ary ny ambiny, dia fandraharahana manokana na « activité individuelle ». Manodidina ny 15 ireo ONG noforonina niainga tamin’ny tantsoroky ny AXCEL, manodidina ny 30 ny fikambanana na « Association », misy sekoly na ivon-toeram-panofanana arak’asa,… Misy oniversite niara-niasa tamin’ny AXCEL tamin’ny famolavolana azy izay am-polony eo, nisy ihany koa aza fiangonana,…
(Sary 4)

TOLOTRA MANOKANA MANDRITRA NY SIAE
Tsy anatin’ny politika ara-barotra ataon’ny AXCEL Company ny manao « promotion de vente » fa mandalo ihany izany, ka nisafidy ny hampihena 30% ny saran’ny tolotra ao aminy izy ireo mandritra ny SIAE ho an’izay olona tapa-kevitra eny an-toerana. Manoka-baravarana sy mandray mivantana ireo mpanjifa, manome fahafaham-po ho an’ireo liana sy mila ireo tolotra samihafa, izay miompana amin’ny fanamorana ny fakana ireo taratasy ara-panjakana amin’ny lafiny maro sy ny tontolon’ny famoron’asa.
(Sary 5)

Mitodika manokana amin’ny olona rehetra na orinasa izay manana fahasahiranana amin’ny fikarakarana ara-taratasy, ireo tsy manam-potoana firy satria ny fotoana vidiana lafo, ireo te hanangana na hanitatra ny orinasa sy ny fandrahanany,… dia efa eto ny AXCEL vonona hanome fahafaham-po ho anareo, hoy i AXCEL Company

📱 WhatsApp : 038 73 066 32 / 034 11 918 40
✉️ Mail : contact@axcel.mg
🌐 Web: www.axcel.mg
📍 Andravoahangy Ambony – Arrêt Bus Pharmacie Ny Aina

Nanatotonsa : Toky Rafalimanana
Sary : Luc Faneva Randriamanohisoa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT