PSOM

Namokatra Application vaovao hahafahana mandray fitarainana


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

Miezaka mikaroka zava-baovao hatrany ny

PSOM na ny Plateforme Stratégique Opérationnelle Multi- angulaire entina hanampiana ny mpiara-belona. Namoaka vokatra vaovao izy ireo ka nampahafantariny ny mpanao gazety tamin'ny faran'ny herinandro teo. Application antsoina hoe : Visited izy io ka afaka mampiasa azy avy avokoa ny olon-drehetra mañana finday amin'ireo sokafy antonony. Azo hatao ny mandefa fitarainana ao anatin'io application io manoloana ny zava-mitranga eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Afaka mijery sy manokatra izany ihany koa ireo tompon'andraikitra voakasika mba hahafahana mandray fepetra hentitra. Tanjon'izy ireo ny hampahafantatra ireo tena maharary ny vahoaka isan'andro amin'ny fitondram-panjakana no sady hanampiana ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa aminy amin'ny fampandehanana ny fiainam-pirenena ihany koa. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo informatisiana dia misy mpisolovava, teknisiana, mpanamory fiaramanidina....ao anatin'ny PSOM.
Pati
Légende : Ireo.mpikambana nitafa tamin'ny mpanao gazety nampahafantatra ilay application vaovao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT