Tontosa soa aman-tsara tany amin'ny fasan-drazany any Betsiaka Ambilobe ny sabotsy 21 oktobra teo ny fandevenana ny Profesora Zafy Albert.
Taorian'ny fanompoam-pivavahana notarihin’ny Arsevekan’Antsiranana, Monsenera Marc Ramaroson nentina nanao veloma farany azy, dia nisy ny fomba miaramila nialoha ny fandevenana, araka ny fomba amam-panao any amin'iny faritra iny. Tanàna any amin’ny 30 km miala an’Ambilobe i Betsiaka raha mandray ny lalàm-pirenena RN5A mampifandray an’Ambilobe sy Vohémar. Misy mponina 1500 eo ho eo ity tanàna hilevenan’ny vatana mangatsiakan’ny Pr Zafy Albert ity. Nanatrika ny fotoam-pandevenana tany an-toerana ireo olom-panjakana maro sy ny vahoaka tsy tambo isaina, ka saika voasolo tena avokoa ny faritra rehetra eto Madagasikara. Anisan’ny tany an-toerana ihany koa ny filoham-pirenena mivady. "Hotsaroantsika mandrakariva ity raiamandrenintsika ity. Rain'ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena izy, ary olom-pirenena tsotra nefa hentitra tokoa", hoy i Hery Rajaonarimampianina. Ny solontenan'ny fianakaviana dia naneho ny fisaorana ny filoham-pirenena sy ireo olona rehetra tonga nanotrona ity fotoana ary ny vahoaka malagasy rehetra izay niaraka ory tamin’ny ny fianakavian'ny Profesora Zafy Albert. Ity filoham-pirenena teo aloha ity no nandao fa ny zavatra napetrany sy nikirizany teto amin’ny firenena kosa dia lesona lehibe ho an’ny Malagasy, indrindra ny mpitondra firenena sy ny mpanao politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.