Asa na efa hadalana fa dia itranga-javatra mampalahelo foana eto amintsika. Lehilahy lehibe 70 taona indray mantsy no nahavita nanolana ny zafikeliny vao 15 taona monja tao Antanivao-Amberobe, Kaominina Andranomanelatra
Ity olan’ny oniversiten’i Mahajanga mitranga ankehitriny ity no nitarazoka indrindra teto amin’ny tantaran’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, hoy ny profesora Randrianodiasana Julien. Efa ho 9 volana izao no tsy nahitam-bahaolana ny zava-misy ao amin’ny anjerimanontolo ao Mahajanga, hoy ity mpiandraikitra ny lalan-kizorana «Master en Environnement et Bio Hydrosystème» ity. Delegasiona avy amin’ireo fanjakana nifandimby nanomboka tamin’ny tetezamita hatramin’ny fitondram-panjakana ara-dalàna ankehitriny no niezaka namaha ny olana tamin’ny fandrafetana tondrozotra. Ny farany teo aza moa dia niafara tamin’ny fanasoniavana ilay fifanarahana marimaritra iraisana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany izany saingy mandà ny fanatanterahana izany ankitsirano ny filohan’ny oniversite am-perinasa miaraka amin’ireo mpiara-dia aminy. Ankehitriny moa dia manambana ny hitokona ka tsy hikarakara ny fanadinana bakalorea ireo tompon’andraikitra mahefa izany eo anivon’ny oniversite Mahajanga. Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra manoloana io trangan-javatra io ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika, hoy ny profesora Randrianodiasana Julien. Mila mijery ny tombontsoan’ireo mpianatra 6 arivo manovo fahalalana ao amin’ity oniversite ity ny rehetra satria ireo no hoavin’ny firenena, hoy izy namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.