Actualités

Profesora Jonah Ratsimbazafy «Atsaharo ny rendrarendra ivelany tsy


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

mampiova ny ao anaty vilanin’ny olona!»

Mitovy ihany na spaoro na toekarena rehefa resaka hambom-pirenena, hoy ny mpikaroka mpampianatra, Profesora Jonah Ratsimbazafy. Ankehitriny, hoy izy, dia mitodika any Burkina Faso ny mason'izao tontolo izao noho ny fiovàna nentin’i Kapiteny Ibrahim Traoré. Mihazakazaka be ny fandrosoany ary firenena afrikanina maro no mitsiriritra azy. Eo amin’ny resaka fizahantany koa dia toerana hiazakazahan'ny mpizahantany I Kenya. Samy mandresy an'I Madagasikara daholo ireo firenena miisa 2 ireo raha resaka fandrosoana ara-toekarena fa teo amin’ny resaka baolina kitra kosa dia samy resin'I Barea daholo na Burkina Faso na Kenya. Inona no dikan' izany? Resaka hambom-po io tompoko! Rehefa manana hambo ianao dia afaka resena tsara ireo izay heverina ho lehibe sy ngeza. Mazava ireny fandresen’ny Barea ireny fa rehefa niady ny "bandikely" satria voninahitry ny firenena no harovana dia resy ny ekipa nasionalin'I Kapiteny Ibrahim Traoré. Bravo aloha Barea fa maninona raha mba entina ihany koa izany hambom-po izany ho amin’ny fampandrosoana firenena ka ajanona aloha ny resaka be fa vokatra izao no ilaina? Azo hioarana tsara mihitsy izany Rwanda an’i Paul Kagame, izay «Primates» miisa 14 ihany ny azy, izay tsy zanatany ao avokoa, kanefa i Madagasikara manana karazany 112, izay zanatany avokoa ny 100%. Kanefa dia faly manao handrorosy mangataka lava etsy sy eroa latsain’ny mpamatsy vola iraisampirenena foana. Atsaharo tompoko ny rendrarendra ivelany tsy mampiova ny ao anaty vilanin’ny olona sy ny fizaràna zavatra bojy fa famoronana asa izao no ilain' ny olona! Ento amin’ny fananana hambom-po ilay firenena dia roahy ny akama tsy mahay anaty fitondrana! Vokatra izao no ilaina, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT