Actualités

Prix Equateur 2014 Tafiditra ho sangany koa ny elodranon’ i Antongil


  • Alarobia 11 Jona 2014

Na dia malaza ratsy amin’ny fahapotehan’ny zavaboary aza isika izay misy mihitsy ny inian’ny sasany atao amin’izy ireny hanangonan-karena toy ny fandripahana ny andramena, ohatra, dia misy koa etsy an-daniny ireo ezaka fikajiana mahomby sady mendrika.

Anisan’izany ny asa sarobidy sahanin’ny fikambanana tsy miankina «Plate-forme de Concertation pour le Développement Durable de la Baie d’Antongil» izay miaro ity toerana ity sy ireo harena ao aminy. Voasafidy ho anisan’ireo tetikasa 36 erantany mendrika amin’ny fiarovana sy fikajiana ny ala honko, ny harena an-dranomasina ary koa manatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ity farany araka ny fisokajiana nataon’ny «Prix Equateur 2014». Mivaingana ny asa vitany toy ny fahitana indray ireo karazan-trondro efa noheverina ho lany tamingana, ny fitomboan’ny isa sy ny haben’ireo karazana harena an-dranomasina ao aminy, ny fihatsaran’ny vola miditra amin’ny mpanjono lehibe sy mampiasa ny fomba nentim-paharazana ary ny fisian’ny rafitra mifehy ny jono ka tsy hampisy olana intsony eo amin’ireo mpanjono karazany 2 ireo.

Voaasa handray ny mari-pankasitrahany any New York ny 22 septambra 2014 izao

Fikambanana malagasy faha-4 ankatoavina manokana ny asa vitany amin’ity sehatry ny tontolo iainana ity nefa koa manatsara ny fiainan’ny mponina ny «Plate-forme de Concertation pour le Développement Durable de la Baie d’Antongil» taorian’i  Manambola, Anja Miray, Adidy Maitso. Anisan’ireo voaasa handray ny mari-pankasitrahany any New York ny 22 septambra 2014 izao mandritra ny fihaonana an-tampony momba ny toetr’andro ny mpitantana ao aminy. Mbola hisy moa ny fifaninanana hafa indray amin’ireo 36 voafantina ireo any an-toerana ka izay 20 voalohany dia hahazo 5 000 dolara raha 15 000 kosa ny 10 voalohany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT