Nisy ny lamesa lehibe notanterahina teny amin’ny Katedraly Saint Laurent Ambohimanoro omaly talata 24 oktobra, nenti-nanamarika ny faha-200 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy ny fanjakana Anglisy.
Niatrika izany ny Printsy vavy Anglisy Anne Elisabeth sy ny vadiny, Sir Tim Lauvrence sy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady. Nitarika io fotoam-pivavahana lehibe io ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo. Nambarany fa ny fiombonana sy ny firahalahiana, dia tsy eo amin’ny vahoaka Britanika sy ny Malagasy ihany fa eo amin’ny vahoaka rehetra tokony hisitraka ny fandriampahalemana sy ny fanambinana. Nivoitra tamin’ny lahateniny koa ny ratran’ny tantara rehetra nolalovana tany aloha, toy ny fanandevozana, izay tokony hakana lesona. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny tantara ny faha-200 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny tany roa tonta, hoy izy. Manana adidy lehibe hanarenana ny ratran’ny lasa ny tsirairay, mba hahafahana manorina hoavy mamiratra, araka ny sitrapon’andriamanitra, hoy hatrany ity Raiamandreny am-panahy ity. Ankoatra izay, nitsidika ny fokontanin’i Soatanana sy Faliarivo ny Andriambavy Anne Elisabeth, niaraka tamin'ny vadin'ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina. Ireo fokontany ireo no anisan’ny hiasan’ny ONG Ny Tanintsika sy Feedback Madagascar, miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana manatanteraka tetikasa fitantanana sy fiarovana ny ala tapia sy ny fanohanana ny seha-pamokarana landy any amin'ny faritra Amoron'i Mania. Vehivavy maherin'ny 40 no nahazo fampiofanana amin'ny fanenomana landy tao Soatanana. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo vondron'ny mpianatra anglisy tonga any amin'ny faritra isan-taona tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin'ny Feedback Madagascar, ho an'ny hetsika ara-tsosialy any amin'ny faritra ambanivohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.