Tamin’ny alalan’ny fitsidihana ny Birao Monosipaly momba ny fahadiovana na ny BMH Isotry no namaranan’ny Printsy vavy Anglisy Anne Alice Elisabeth ny fitsidihany an’I Madagasikara omaly 26 oktobra.
Nivoitra nandritra ity fitsidihana nataony ity ny hanamafisana ny ady amin’ny fanararaotana sy ny herisetra mahazo ny zaza tsy ampy taona, izay iarahany miasa amin’ny UNICEF sy Kaominina Antananarivo Renivohitra. Notsidihina manokana ihany koa ny foibe fandraisana ny laharan-tariby maitso 147, handraisana ny fitarainana momba ny herisetra mahaza ny ankizy sy zaza tsy ampy taona, ka tambajotra 15 no mandeha ao anatin’ny 24ora amin’ny 24 ora, ary miasa foana amin’ny andro rehetra, izay eo Sampan-draharaha miaro ny zon’ny ankizy no misy azy. Misehatra bebe kokoa amin’ny resaka torohevitra sy ny resaka lalàna io sampan-draharaha io, izay ahitana polisy miisa 30 sy olona voahofana manokana amin’ny resaka asa sosialy, izay 30 ihany koa. Nihaona tamin’ny ampahany amin’ireo ankizy efa lasibatry ny herisetra sy ny mpitantana ny Ivon-toerana Ilaiko ny Printsy Anne, ka nampahery azy ireo ara-tsaina sy ara-moraly. Taorian’izay, dia nandao an’I Madagasikara ny Printsy vavy Anglisy Anne Alice Elisabeth sy ny vadiny Timothy LAURENCE vadiny, ka naharitra efatra andro ny fitsidihana tamim-pomba ofisialy nataony Madagasikara. Nanatitra azy teny amin’ny seranampiaramanidina Ivato ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Henry Rabary-Njaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.