Lasa any Chine, tamin’ny alatsinainy 25 aogositra 2014 tolakandro teo ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra Kolo Roger. Nambaran’ny Lehiben’ny Governemanta teo am-piaingana teny Ivato fa mitodika aty Afrika ny firenena Sinoa amin’izao fotoana izao. Hifampidinika sy hifandresy lahatra mahakasika ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny anton-dian’izy ireo any.
. Hiompana amin’ny resaka fotodrafitrasa toy ny lalana, ny lalamby, ny seranam-piaramanidina ary ny seranam-tsambo ny dinika hifanaovana. Nanamafy ihany koa ny Praiminisitra fa hojerena manokana ny lafiny fiarovana ny morontsiraka sy ny harena an-dranomasina mba hiadina amin’ny mpijirika. Ankoatra izay dia hiaraha-mijery koa ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’ ny lafiny fambolena. Nomarihin’ny praiminisitra fa maherin’ny 13 000 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ataon’ny firenena Sinoa aty Afrika ary tsy tokony ho tara amin’izany isika Malagasy. Natao hanomanana ny dian’ny filoham-pirenena izay ho any Chine atsy ho atsy io fitsidihana ataon’ny delegasiona tarihin’ny Praiminisitra Kolo Roger io. Tsy misy maharatsy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, saingy ny mahagaga amin’ny mpitondra eto amintsika dia tsy mahatan-damba mihitsy raha vao mahita irika andehanana any ivelany fa tonga dia lasa, na dia hita izao aza fa mikorontana sy tsy milamina ny firenena. Tsy maintsy tanterahana amin’izao fotoana ve io fitsidihana io ? Sa mba efa te hivoaka kely an’i Madagasikara ingahy praiminisitra fa marary an-doha amin’ny krizy tsy mety mivaha eto ? Fantatra mantsy fa dia manomboka mikorontana ambony ambany ny ao amin’ny fiadidiana ny praiminisitra ary tsy mandeha amin’ny laoniny ny asa, noho ny fisiana ankolafy isan-karazany eo amin’ny samy mpiasa ao Mahazoarivo ao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.