“Tsy hozaraina ny trano raha tsy efa vonona ny fampitaovana…”
Nanome toky ny mpianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpitantana ny oniversiten’i Toamasina Atoa Rajaonarimampianina Hery, amin’ny fanampiana ny oniversite mikasika ireo kidoro 1.200 sy latabatra – seza 2.400 avy,
ilaina amin’ireo trano vao avy nasiam-panamboarana. Izay no nahatonga ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina ny Pr Velo Jerome nilaza fa “tsy hisy aloha ny fizarana trano amin’izao raha tsy efa vonona handraisana mpianatra ireo trano vao avy narenina. Tsy tsara mantsy raha misy ireo mpianatra hahazo ny trano efa misy fanaka anatiny ao amin’ny R+3, nefa hisy kosa ireo hiditra efitra babangoana”. Nohamafisiny fa raha tonga ireo fanaka nampanantenain’ny filoham-pirenena, dia ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana 2015 – 2016 dia hisy mpianatra 2.500 hahazo trano, izany hoe 20%-n’ny mpianatra 12.000 mandranto fianarana ao Barikadimy. Niaiky anefa ny Pr Velo Jeroma fa henjana ho an’ny mpitantana, indrindra tamin’ny mpianatra, ny fanapahana tsy maintsy noraisina saingy vokatra tsara no setriny ary miara-migoka izany ny rehetra ankehitriny. Ankoatra izay dia nanome fanamby ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, fa tsy hijanona ao Barikadimy ihany ny fahazoana mampiasa ny WIFI maimaimpoana ho an’ny mpianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpampianatry ny oniversite fa azo atao tsara ny mahazo izany ivelan’ny Campus ary eo am-piketraehana azy izy ireo izao. Ny filoha koa manana ny maripahaizana “professeur” momba ny solosaina rahateo. Ho fanatsarana ny fari-pahaizana sy fomba fikarohan’ny mpianatra ny ezaka rehetra atao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.