Pr SERGE MIRANDA

« Afaka mampivoatra tsara ny fiainantsika ny nomerika »


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Manampahaizana manana ny maha izy azy eo amin’ny tontlon’ny informatika,

nomerika ary ny Intelligence Artificielle i Serge Miranda. Resy lahatra izy fa tetikasa goavana hanatsara ny fiainan’ny mponina sy ny fomba fiasa ny fampidiriana ny nomerika amin’ny fitantanana ny tanàna. Tena tsara ilay vina hampiditra ny nomerika amin’ny fitantanana ny tanàna ho fanampiana ireo mpiara-monina. Goavana izany vina izany ho an’ny tanànan’Antananarivo, ho an’i Madagasikara ary ho an’i Afrika mihitsy aza. Fizarana fahalalana, tekinolojia, nomerika miaraka amin’ny « internet à haut débit », izay hiteraka tombotsoa ho an’ny rehetra satria hahazo internet daholo aloha izany , tsy hisy toerana hoe milentika na takona. Tsy hisy faritra mitoka-monina amin’ny resaka internet intsony, raha ny fanehoan-keviny.
FANABEAZANA, FAHASALAMANA ARY FITANTANAN-DRAHARAHA
Sehatra telo goavana amin’ny fiainan’ny olom-pirenena ireo.Hanatsara sy hanafaingana ny fomba fiasa amin’ireo sehatra ireo ny fampiasana ny internet sy ny nomerika. Fitaovana lehibe iadiana amin’ny kolikoly ihany koa izany satria tonga dia azo jerena sy fantarina amin’ny fotoana rehetra ny momba ny fitantanana ny volan’ny kaominina sy ny boriboritany,ohatra. Mora ny manara-maso ny famoahana ireo karazana fahazoan-dalana toa ny Epermis de construireE…Iny no mitondra mankany amin’ny fomba fiasa mangaraharaha, ary hita eo daholo hoe iza no manao inona.
ILAIN’I MADAGASIKARA FIAMPITANA AMIN’NY EKONOMIA NOMERIKA
Raha izany rehetra izany notanteraka dia ho lasa fitaratra ho an’ireo tanan-dehibe rehetra aty Afrika eo amin’ny lafiny nomerika i Antananarivo. 20 taona lasa izay no nahafantarako an’i Tahina fony izy mpianatra, taty aoriana izy nanangana ny orinasay manokana sy ny ITUniversity, Bac+5 izay tena ilaina ny fisiany satria mamolavola sy mamoaka ireo manampahaizana izay ilain’i Madagasikara amin’ny fiampitana mankany amin’ny toekarena nomerika. Manohana ny filatsahan-kofidiany aho noho ny fananany io vina hampiditra ny nomerika amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo io.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT