Manahy izahay fa mitady hivaralila ity firenena ity, hoy ny Pr Ralison Roger tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana manokana omaly. Sarotra atoro ny mpitondra fanjakana ankehitriny nefa tena tsy mahafantatra ny tontolo misy eto amin’ny firenena ny ankamaroan’izy ireo
12 volana no voafaritry ny lalàna fa tokony hametrahana ny “Haute cours de justice”, enim-bolana izay no lasa efa-bolana sisa, tsy hita izay eo fa na ny rafitra rehetra mangaika aza tsy tafapetraka akory (Faritra, Ben’ny tanàna …). Ny lalàna mametra fa tokony hanohy ny asany ireo CST mba tsy hampandringa ny fanaovan-dalàna eto amintsika nefa dia hampifangaroan’ny depiote ao amin-dry zareo avokoa ny asan’ny parlemanta roa tonta hatreto. Rehefa tsy ampy vola noho ny tsy mbola fahatongavan’ny tetibola fanampiny eny amin’ny Antenimiera ireo minisitera isan-tsokajiny, hoy ity profesora ity, dia tsy ampy fahefana hamokatra zavatra ka mihamaty ka misy fiantraikany eo amin’ny toekarem-pirenena satria tsy afaka mampiditra olona hiasa fa mety hisy fandroahana aza sanatria, indrindra amin’izao mbola fiakaran’ny vidin-tsolika izao. Ilay tetibola noterena nolanianay CST sy CT iny dia tsy natao hampandehanan-draharaha afa-tsy telo volana monja. Heveriko fa tsy tokony ho nokitiana mihitsy aloha ilay vidin-tsolika teo raha tsy amin’ny taona ho avy (ny tamin’ny tetezamita aza mba vita ihany) fa tena hanana fiantraikany eo amin’ny fahefa-mividin’ny mponina sy fiainan’ny orinasa maro tsy maintsy hampihena mpiasa indray io satria ny Agoa dia mbola amin’ny 2015 koa vao tena hisokatra. Izao isika mbola mihotakotaka amin’ny fanagadrana mpanao gazety indray ka mampanontany tena hoe : tena mikatsaka marina ny hampandrosoana ny firenena ve ny mpitondra ankehitriny eto amintsika ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.