PR JOSEPH

Rariny raha tezitra tamin’ny ENELEC ny PRRM


  • Alarobia 22 Jolay 2026

Mihazakazaka, ary tsy mihemotra

fa mihamandroso hatrany mankany amin 'ny fikatsahana ny fahamarinana ahitana vahaolana tena izy ny fitondram - panjakana izay tarihan ' Atoa filoha, ny Kolonely Michaël Randrianirina hoy ny Pr Joseph. Ny Jesosy voasoratra ao amin 'ny ( Matio 10 : 26 no manaporofo izany hoy izy izay manao hoe : koa amin ' izany aza matahotra azy ianareo ; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Koa araka izany tenin ' i Tompo izany, dia heverina fa tena zava - dehibe ireny lahateny hentitra sy feno fahasahiana nataon ' ny filohan 'ny Fanavaozana ireny manoloana ny hafetsena sy ny fanambakana izay miharo fanandevozana ny Malagasy tompon - tany hataon ' ireo sehatra tsy miankina izay mpampanofa Gropy, dia ny " ENELEC " izany. Koa eo anatrehan ' izao zava - misy izao Mon Colonel Michaël, satria efa fantampantatra ihany ny fosotra niaingan ' izao delestazy miverimberina izao araka ireny fanambarana mihezinezina nataonao ireny, dia araho fepetra henjana tompoko, satria : " tanana efa zatra nitsotra ny an ' ireo mpambotry firenena ireo, ka tsy mety mivonkona intsony " , ary miangavy tompoko, enjeho hatramin ' izay niray tsikombakomba tamin 'ny " ENELEC " , satria : heverina ary hinoana, fa nisy kopaka nisasahan 'ny fitondrana teo aloha io. Koa mahereza hianareo mpitondra ankehitriny sy ny Minisitry ny fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo manoloana ny famongorana ireo fanetriben 'ny firenena sy mpambotry vahoaka tompoko, fa tena fanavaozana lehibe ho an ' i Madagasikara ny fahasahianareo mijoro hanafaka ny vahoaka Malagasy ! Koa alao hery Atoa filoha Michaël Randrianirina, fa Jesosy no momba Anareo, ary Izy rahateo no naniraka sy nanome Anao ny fahefana. Koa hoy ny tenin ' Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Mpitsara : 6 - 14 ) manao hoe : Mandehana amin ' izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin 'ny tanan 'ny Midiana ; Tsy efa naniraka anao va Aho ?
Pati
Légende : Pr Joseph !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT