PR JOSEPH- NAIVO RAHOLDINA

Nentina nanakomana ny


  • Alarobia 13 Mey 2026

fandraofana tanin'olona ny asa soa nataony

Naneho ny heviny indray ny Pr Joseph mikasika ny momba ny depiote Naivo Raholdina. Tsy hoe : fitiavana te-hanitrikitrika an ' Atoa Naivo Raholdina sanatria hoy izy fa kosa amin ' izao andron 'ny fanavaozana izao, dia tsara raha tokony mba havaozina daholo ny zavatra rehetra , indrindra fa ny toe - tsaina sy ny toe - panahitsika mba hisian 'ny fiaraha - monina mirindra, mba ho tonga Jerosalema vaovao. Koa raha misy ny tsy nety natao teo aloha dia tsara raha hialana izany, fa tsy hoe : izaho nahavita asa soa marobe sy nanampy ireo mahantra sy sahirana, kanefa noentina hanakomana ny ratsy natao izany toy ny fakana an - keriny ny tanin ' olona marobe izay niharo fikasihan - tanana, araka izay efa nambaran 'ny Minisitry ny fitsarana Fanirisoa Ernaivo rahateo. Tsy tokony hanome tsiny izao fitondrana izao noho izany hianareo mpomba an - dRajoelina sy ny depiote Naivo Raholdina, satria tsy antsika ity tany ity ka handeha hanaovana bodongerona sy hatao an - keriny, fa an ' Andriamanitra ny tany, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Salamo, 24 ; 1 ) manao hoe : An ' i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Noho izany, aleo hatsahatra ny fangalarana sy ny fanaovana an - keriny ny tanin ' olona izay efa nomen ' Andriamanitra azy fa ahitan - doza ary mampigadra. Fa etsy andanin ' izany, dia tsara raha asiana resaka kely ny mahakasika ireo mpivarotra amoron - dàlana etsy amin 'ny " petite vitesse " Analakely. Heveriko fa fahadisoana lehibe nataon 'ny fitondrana Rajoelina izy io, toy ny hoe : fidio aho, dia avelako hivarotra eny amoron - dàlana hianareo, hany ka tsy te hanara - dalàna intsony fa zatra gaboraraka. Tsarovy anefa, fa ny làlana dia natao hivezivezen 'ny fiara, koa matoa ny PDS no mitaona antsika mpivarotra hiditra any amin 'ny toerana efa voavoatra sy voatokana hivarotana, dia misy antony ao, toy ny hoe : ho fiarovana ny aina, satria raha sanatria ka misy fiara tapaka hisatra eo amin ' iny làlana izay hivarotantsika iny ka miteraka faharatrana na fahafatesana olona maro sanatria, dia hifanome tsiny ? Koa eo anatrehan ' izany : Aoka isika hanaiky ny fandaminana izay hataon ' Atoa PDS, fa raha mbola minia mafy hatoka isika, dia sanatria hahita loza ! Koa samia isika mandinika, fa hoy ny tenin ' Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Ohabolana, 29 ; 1 ) manao hoe : Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
Pati

Légende : Izy no Pr Joseph mpanompon'Atra sady mpandinika raharaham-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT