PR JOSEPH-GOVERNEMANTA VAOVAO

« Aza averinareo intsony ny


  • Talata 04 Novambra 2025

tsy nety nataon'ny teo aloha »

Heveriko fa efa tafatsangana tanteraka ny mpikambana eo anivon 'ny Governemanta amin ' izao fitondrana ho amin 'ny fanovana ny rafitra vaovaon 'ny Repoblika izao. Manafatra antsika aho hoy Pr Joseph, mpandinika raharaham-pirenena sady mpanao politika. Aoka isika samy hahay haka lesona ka tsy hiverina tamin 'ny nataon 'ny fitondrana teo aloha iny intsony hoy izy satria dia tsy nisy afa-tsy ny fitiavan - tena sy ny fitiavam - bola ary ny fanaovana tantely afa - drakotra ny harem - pirenena sy ny fanaovana an - keriny ny tany sy fananan ' olona no nanjaka teto Madagasikara nandritr ' iny fitondrana iny. Hinoana sy heverina hoy izy fa tena programan ' Andriamanitra ny naharava iny fitondrana teo iny noho ireo antony voalaza etsy ambony ireo, ka nitenenan ' i Jesosy ao amin ' ny Lioka 21 : 20 - 22 manao hoe : Ary raha mahita an ' i Jerosalema voahodidin 'ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin ' izany andro izany, aoka handositra ho any an - tendrombohitra ; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany ; ary izay any an - tsaha aoka tsy hiditra ao an - tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Koa araka izany dia, Andriamanitra mihitsy no mamaly ny hataontsika olombelona, ary dia iny nihanjahanja teto Madagasikara iny ny fahamarinan 'ny tenin ' i Jesosy izay nambarany etsy ambony io ! Fa etsy andanin ' izay hoy izy dia maro isika no mimenomenona sy manome tsiny an ' izao fitondrana mijoro izay tarihin 'ny filoham - panjakana Colonel Michael Andrianirina izao, raha mahita ireo fanetriben 'ny firenena tafatsoaka any ivelany avokoa na dia efa nahazo IST aza izy ireny. Tsy tokony hanome tsiny isika, fa efa voalazan ' i Jesosy etsy ambony io manao hoe : izay ao Jerosalema aoka handositra any ivelany. Fantatra moa fa mitrotro am-bavaka ireo mpitondra sy ireo tompon 'andraikim - panjakana rehetra ny Pr Joseph mba tena hahita fahombiazana feno eo am-panatontosana ny adidy masina ho an ' i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo ho voninahitr 'Andriamanitra izy ireo.
Pati
Légende : Pr Joseph mpanompon'Atra sady mpandinika raharaham-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT