Pr Joseph

« Enga anie tsy hisy fandrika ny


  • Talata 24 Febroary 2026

fiaraha-miasa amin’i Lafrantsa !»

Naneho ny heviny indray mikasika ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy La Frantsa ny Pr Joseph.Lasa any la Frantsa iny ny filoham - panjakana ny Kolonely Michaël Randrianirina hoy izy ka ny hirariana dia mba ho fiaraha - miasa tsy misy velam - pandrika ambadika ho amin 'ny mety hisian 'ny fanjanahana maoderina an ' i Madagasikara no haroson 'ny filoham - pirenena frantsay Emmanuel Macron, fa mba tena ho fiaraha - miasa madio. Eo anatrehan ' izany dia mitrotro am - bavaka ho an 'ny filoham - panjakana Michaël Randrianirina isika mba tena hiasan 'ny Fanahy Masina izy, satria tsy mora ny adihevitra sy ny fandresen - dahatra hatao any la Frantsa. Ny Tompo anie no angatahana hiditra antsehatra mandritry ny fihaonana izay hatao any, ka ho hamarinin ' i Jesosy amin 'ny Kolonely Michaël ilay teniny izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 10 ; 20) manao hoe : fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin 'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. Fa mifanindry an - dàlana ny amin ' izany ny mahakasika ny Colisée izay mbola mahabe adihevitra tsy ankiato mandraka ankehitriny ! Izao no tokony ho fantatsika vahoaka Malagasy mahakasika azy io, dia ny tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny (Korintiana voalohany, 10 ; 23) manao hoe : ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa ; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Koa noho izany : Rehefa hita fa tsy mitondra fandrosoana ho an ' i Madagasikara io Colisée io, dia ny mety indrindra dia ravana ; ary aza adinotsika vahoaka Malagasy, fa arakaraky ny nananganan - dRajoelina sy ny minisitry ny kolon - tsaina Lalatiana Rakotondrazafy an - keriny an ' io teo, dia vao maika niha nikorosy fahana ny fiainam - pirenentsika Malagasy, ary niha nahazo laka ireo karazana loza maro samy hafa manerana ny Nosy. Koa tsara ihany raha mandinika isika, satria misy dikany lehibe ilay tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 24 ; 15) manao hoe : Koa raha hitanareo mitsangana ao amin ' izay fitoerana masina ny fahavetavetan 'ny fandravana, izay nampilazaina an ' i Daniela mpaminany (Daniela 12 :11; Daniela 9 : 27) (aoka hisaina izay mamaky izany).
Pati
Légende : Pr Joseph, mpanompon'Atra no sady mpandinika raharaham-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT