Pr Jonah Ratsimbazafy

« Tsy rariny izao zavatra manjo ny firenena izao »


  • Zoma 10 Mey 2024

Tsy voaozona ny firenentsika, tsy voaozina ny Malagasy fa tena tsy rariny izao zavatra mahazo antsika izao, ary tena tsy rariny.

Hafatra ho an’ny mpitondra ary am-pitiavana hoe : aoka rehefa tsapa fa ao anaty lavaka ny firenena dia aoka tsy hotohizana ny fangadiana lavaka, fa atsaharo fa milentika tsy misy tafavoaka ato. Isan’andro tsy latsaka ny olona mitaraina fa tsy manan-kohanina, marary tsy manam-bola. Izany ve no ilazantsika fa mandroso i Madagasikara, izany ve no tadiavintsika mbola hitohy », hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy omaly raha nivahiny tao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM. Marary sy mangirifiry ilay izy ka mila antsika miaraka. Misy olona mitazona ny toekarena eto izao fa tsy Malagasy. Tsy vahaolana ny fahanginana fa tohano sy arovy ireo sahy mijoro, hoy izy. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra isika izao. Ambany ilay fanabeazana, ambany ny fari-pahaizan’ny Malagasy ka araraotina, raha ny nambarany. Mizara menaka mahagaga kely hoe : ity ny savony kely dia hifidy an’iny fa avy eo hijaly. Raha tena maniry fiadanana ho an’ny taranaka, ny zanakao tsy miasa,… dia mila miova, fa raha mety aminao ilay hatramin’’izay dia fidio ihany ilay efa nanao izany, hoy hatrany izy niantso ny olom-pirenena ho tonga saina. Mbola nampiany aza hoe : Sao dia efa an-tsoratra sisa ilay hoe : Tanindrazana ? Iza no mifehy ny PPN, Solika,…Ny mpitandro ny filaminana manao ho an’ny tanindrazana ve tena miaro ny Malagasy sa miaro ireo olom-bitsy ? hoy hatrany izy. Sarotra ny fandidiana ary sarotra ny zava-misy. Na izany aza, notsipihiny fa tsy afaka ny hiraviravy tànana isika, ary fadiana ny mamoy fo sy hanary fanantenana. « Mbola azo avotana i Madagasikara fa teknika kely fotsiny. Mbola miandry mpitarika tena mahomby na «un vrai leader efficace», hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Mila mpitarika tena mahay sy mahomby ka vao miteny hoe : hanao an’izao isika dia manaraka sy resy lahatra ny olona, fa tsy tahaka an’ireo mikikiakika sy manjono vahoaka na koa toy ireo manery ny mpampianatra hanohana azy, raha ny nambaran’ity manam-pahaizana ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT