Pr Jonah Ratsimbazafy

"Rehefa tonga anaty fitondrana ilay manam-pahaizana dia tsy miteny intsony!"


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Namana daholo ireo mpitondra fanjakana ireo ary betsaka no manam-pahaizana amin'ireo, hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy,

manam-pahaizana momba ny biby sy zavaboary. Fanontaniana mipetraka nefa, hoy izy, ny hoe maninona no fony mbola tsy tanaty fitondrana nanana hevitra tena tsara sy azo tanterahina saingy nony tafiditra anatin'ilay fitondrana dia tsy hita, tsy hay hoe nalefa aiza ireny hevitra tsara be taty ivelany ireny? Rehefa tonga anaty fitondrana ilay manam-pahaizana dia tsy miteny intsony! Rehefa mivoaka avy ao indray dia miteny hoe izao no tokony atao. Maninona no tsy nataonao ilay izy fony ianao tao? Ekena fa misy ny atao hoe politikan'ny governemanta saingy manana tanjona isika toy ny hoe miaro sy manaja tontolo iainana. Nanao sonia fifanarahana iraisampirenena isika ka tanteraho ireny! Tsy hoe manaiky amin'ny vava nefa avy eo manapaka ala, mitrandraka amin'ny fomba tsy ara-dalana, omena vahiny ny tanin'ny malagasy. Izay no ilazako hoe ohatrany miova ny lelan'ilay manam-pahaizana rehefa tafiditra anaty fitondrana. Misy rantsana tokony havondrona hijery ny tombontsoan'ny malagasy sy ny tokony ho harinkareny mihitsy aloha izany. Iniana tsy resahina tsinona ireo tarehimarika satria isika izao no farany amin'ny lafiny rehetra, hoy hatrany ny Pr Jonah Ratsimbazafy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT