Pr Jonah Ratsimbazafy

«Fanararaotra izao ! Mila sahy!


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Izay sahy maty mifono lambamena ! »

Ohatran'ny mbola manofy izany! Tsy nampoizina ny fiovana tao anatin'ny tapa-bolana mahery satria olona matanjaka be nieritreritra ny tsy ho voahongotra teo no natrehina. Tsapa ny fisiana rivotra hafa mihitsy. Vita ny fanalana niainga tamin'ny hetsi-bahoaka noho ny kapoaka feno. Mila hapetraka ambonin'ny tany amin'izay ny tongotra mba tsy ho fahadisoam-panantenana, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mila mijery hoe : inona no andraikitry ny vahoaka sy andrandraina amin'ny mpitondra ? Tena maniry fiovana ny vahoaka ary mijery ny any ivelany, toy ny any Burkina Faso. « Mila manana finoana fa hiova io, mila fahasahiana ny fanovana,… », hoy izy. Miandrandra fanovana ny vahoaka, misy foana ny olona miezaka manohitra satria ny kimaizimaizina sy mikimaky no tiany. Nahitsy anefa izy naneho fa mila miroso, izay sahy maty anefa no mifono lambamena, mety marary androany,… « Omeo ny tantsaha Malagasy ny vola hanafarana vary, omeo ny tantsaha Malagasy ny tany, mila ovaina fa tsy mijery fotsiny hoe lasan’ny karana ny tany », hoy izy. 2 taona mety mamay, fa miova io raha mizotra amin’ny tahaka izany. Tena henjana kanefa ireo Firenena tafavoaka dia nandalo fotoan-tsarotra. Mbola mafy noho ny antsika ny zavatra natrehin’i Rwanda, kanefa lasa izy, sambatra ny olona,… hoy ny fanamarihan’ity manam-pahaizana ity naneho fa vitan’ny hafa ve no tsy ho vitantsika, io harenantsika io dia mampanankarena antsika, Costa Rica mampiditra 4 miliara dolara amin’ny resaka harena voajanahary fotsiny. 5% amin’ny harena voajanahary eto ambon’ny tany dia eto Madagasikara, ka eto ohatra no tokony hianaran’izao tontolo izao izany. Afaka tamin’ny Filoha izay Frantsay isika, tranga fanararaotra izao, ka raha tsy mahay manararaotra isika dia isika no mety ho farahidiny. Tsy tokony hiantehitra amin’ny zavatra bojo, fa tokony ho mpandray anjara na « acteurs » fa tsy mpitazana na « spectateurs » ny Malagasy, mila fahasahiana, mila fifanomezan-tanana toy ny fanomezam-baovao eo anatrehan’ny kolikoly sy afera maloto. Ny Fitsarana mba tsy tokony ho fiforetana anaty fa tena taratry ny Fanjakanatan-dalàna, mila hajaina ny fisaraham-pahefana fa tsy lalaovina atao fitaovana ireo rafitra samihafa. Misy ny zavatra azo amboarina dieny izao. Mila fanovana fa tsy ny olona fotsiny no niova, ny tombotsoa goavana sitrahan’ireo mpitondra ohatra dia azo ahena satria mandalo fahasahiranana ny Firenena, tsy tokony hanjakazaka ny kiantranoantrano,... Io hafanam-pon’ny vahoaka io dia mandalo, fa tsy voatery hijanona eo. Misy sahy manala sy manadio ireo nanao ny tsy mety.
ZONTSIKA NY MISAFIDY IZAY FIRENENA AHAZOANA TOMBOTSOA
Amin’ny lafiny diplomasia politika sy toekarena, manana ny fiandrianantsika isika, zontsika ny misafidy amin’izay Firenena ahazoantsika tombotsoa sy mety amintsika. Ny Rwandais ohatra nisafidy, nahasahy ny Filohany hoe : ny teny Frantsay ohatra dia aleo havadika teny anglisy amin’izay, ka raha ny soso-kevitro dia sokafy ny « université anglophone » mba hisafidy ny mpianatra fa tsy voatery ho rafitra Frantsay foana. Tsy hoe tsy miara-miasa amin’ny vahiny ireo firenena manao dingana lehibe ireo toa an’i Rwanda sy Burkina Faso, fa mametraka sy mijery ny tombotsoany, tsy voatery ho ambany vahoan’ny Frantsay foana, ka ny fahasahiana tsy maintsy hapetraka. Miara-miasa amin’ny iraisam-pirenena, tsy hoe teo ambany vahoan’ny Frantsay dia andao indray ho eo ambany vahoan’ny Rosianina fa hoe : iza ohatra ny Firenena sahy mividy ny vokatra vokarintsika amin’ny vidiny ambony ? hoy hatrany i Pr Jonah Ratsimbazafy.
Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT