10 taona an-tranomaizina Raholdina,
5 taona avy i Jean Nirina sy Raissa
Nivoaka, androany 27 oktobra, ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha nanenjehana an'i Naivo Raholdina Herinantsoina, depiote teo aloha. Nohelohin'ny Fitsarana migadra 10 taona an-tranomaizina, sazy mihatra izy miampy fandoavana onitra 200 Tapitrisa Ariary. Fivarotana tanim-panjakana, fanimbana fananan'olona, fanamparam-pahefana, fangalarana tanin'olona...isan'ny fiampangana an'ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina avokoa izany ka nanamelohan'ny Fitsarana azy hanefa sazy gadra 10 taona sy handoa onitra 200 Tapitrisa Ariary. Tsara ny mampahatsiahy, fa nitsoaka tany ivelan’i Madagasikara i Naivo Raholdina rehefa nafana ny toe-draharaha teto ny volana septambra-oktobra 2025, ary niverina ny volana mey lasa teo, ka nidoboka am-ponja vonjimaika. Ankoatra ny setrasetra ara-politika, voatonontonona tamin’ny afera ara-tany maro i Naivo Raholdina, indrindra nandritra ny naha Filohan’ny Vaomieran’ny fananan-tany azy tao amin’ny Antenimierampirenena. Anisan’ireo mpanao politika nieritreritra fa haharitra mandrakizay ny fitantanan’i Andry Rajoelina, ka tsy nanan-tahotra sy nanam-pahasahiana tamin’ny setrasetra, fandranitana, fikasihan-tanana, fanagadrana olona tsy ara-drariny,… Tsy i Naivo Raholdina ihany, fa voaheloka 5 taona an-tranomaizina sazy mihatra ihany koa i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Raharaha miisa 2 no nanenjehana azy,: fibodoana tanin'olona tao Anosibe Angarangarana sy fivarotana ny kianja filalaovam-baolina Anosizato, niaraka tamin'i Naivo Raholdina. Ankoatra izay dia Voaheloka higadra 5 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 10 800 000 ariary ihany koa i Raissa Razaivola, noho ny raharaha momba ny fanararaotam-pahefana sy ny fangalarana tanin’olona. Samy tsy nisy niatrika ny fitsarana azy izy ireo. Ity farany izay tsiahivina fa isan’ireo tafavoaka tamin’ireo lazaina fa gadra politika taorian’ny fiovam-pitondrana, saingy namoahana didy fampikarohana. Isan’ny nilaza ampahibemaso ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ankehitriny Atoa Gascar Fenosoa. « Mijoro androany ny Fikambanana izay tarihin-dRtoa Raissa. Aoka izay ny fanaratsiana azy sy ny fanenjehana azy , fa raha nisy antony nanagadrana azy dia ny fijoroany amin’ny fahamarinana ! », hoy i Gascar Fenosoa ny desambra 2025, raha niaro an’i Raissa. Nanizingizina ity Minisitra ity fa mpandraharaha Malagasy nijoro sy niady ho amin’ny fahamarinana i Raissa Razaivola, fa tsy nety tamin’ny fitondrana volomboasary. « Amin'ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary amin'ny maha mpitondra tenin'ny Governemanta no ilazako hoe aoka izay ny fanaratsiana sy ny fanenjehana an'i Raissa Razaivola, fa olona mijoro amin'ny fahamarinana izany Raissa izany », hoy io Minisitra io. Ankehitriny, mivoaka ny didy henjana manameloka an’i Raissa Razaivola ka asa izay azo handikana ny fanambarana tamin’ireny fiarovana azy ireny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.