Nirina Lalao Claude
Lasan’ny mpanao gazety malagasy, Nirina Lalao Claude Rakotomiarintsoa, ny amboara iraisampirenena, COMESA Media Award, ho an’ny sokajin-gazety ana habaka na «presse en ligne», raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Mpanao gazety mikirakira ny resaka tontolo iainana na «journalisme environnemental» moa ny lehilahy ary ny fahitàna izany fanoloran-tenany ho an’ny fiarovana tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanaovan-gazety izany indrindra no isan’ny fepetra lehibe nanomezana azy izao amboara izao rehefa taratra izany tao anatin’ny lahatsoratra nifaninànany. Lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Énergie propre:une chaîne de valeur exploitable sur le marché du COMESA » na Angovo madio: fihariana manan-danja azo trandrahana amin’ny tsenan’ny COMESA moa no nahazoany ity amboara ity. Nivoaka ny 30 novambra 2024 ny lahatsoratra fa ny 22 oktobra 2026 teo kosa no nanolorana izao fankasitrahana izao tao Harare, Zinbabwe, raha ny angom-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.