Pr Ange Andrianarisoa

«Zava-poana ny rehetra rehefa


  • Alakamisy 11 Jona 2026

tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna!»

Mbola nifandinika izy 7 mianaka dia ny filohan’ny fanavaozana, praiminisitra, minisitry ny fanavaozana, filohan’ny FFKM 4 mirahalahy dia mbola nihemotra indray ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena izay efa tokony nandeha ny 3 jona teo, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema misahana ny faritanin’Antananarivo, Pr Ange Andrianarisoa. Mahatsapa daholo izao ny rehetra, hoy izy, fa tena sahirana ny malagasy. Miezaka ny fitondràm-panjakàna ny amin’ny hoe tsy hisian’ny kolikoly sy tsimatimanota. Miezaka izy hampandroso an’i Madagasikara, mba tsy hampijaly intsony ny rano sy herinaratra. Mitady fitondràna mijery vahoaka koa izao ny vahoaka. Izany koa angamba no antony mampiely be ny resaka hoe federalisma sy ny karazany amin’izao fotoana izao ahafahan’ny any amin’ny faritra manao zavatra. Mila ampiharina ny lalàna ary atao ho an’ny rehetra. Mila omena fahaizana ny any ifotony. Izay ilay hoe fampitàna traikefa na «transfert de compétence». Mila iaraha-midinika izany fikaonandoham-pirenena izany! Tsy olom-boafidy irery na olom-boatendry irery no tokony hanatanteraka izany. Tokony handray anjara ny vahoaka rehetra! Tokony hangarahara ny zava-drehetra ary tokony hazava ny tatitry ny olom-boafidy amin’ny vahoakany. Izay no maha zava-dehibe ilay fampitàm-pahaizana. Zava-poana ny rehetra rehefa tsy ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

Hijery ny tohiny
FTT