Potika ny fiarahamonina

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka no manjaka


  • Zoma 20 Jona 2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

ankehitriny no lasa hita manjaka eo anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara, raha fintinina ny tranga zary mateti-pitranga sy ny fanehoan-kevitra hita amin’ireo fantson-tserasera isan-karazany. Potika ny fiarahamonina. Anosibe, mividy pitipoa 10 kapoaka aho, hoy ny fanehoan-kevitra iray. Hitanao izao ny amarany azy, hoy izy. Tonga any an-trano, 6 kapoaka sisa. Pavillon Analakely; mividy hena 1kg, 750g rehefa tena lanjaina. Tohatohabaton'Antaninarenina; mividy zana-boninkazo. Tonga any an-trano, tsy mety maniry, hay voninkazo artifisialy no napetaka tamin'ny lakaoly. Ny fakany mipetraka fotsiny. Eny an-dalàna eny; terena ho masaka ny sakoa manga sy manga manta, rarahina tamotamo dia lasa mavomavo be ohatran'ny hoe masaka be ery. Manapaka monstera na anthurium dia atsatoka anaty «pot de fleur» na tranom-boninkazo fotsiny. Osorana menaka be dia tsara tarehy ery. Tondrahana fa tsy maniry akory. Mahamasina; koba maina be. Osorana menaka dia mandimandina ery. Eny anelakelan-trano, mofo makasaoka tsy lany omaly, averina endasina indray fa fonosana paty fotsiny ny ampitso, masiso bé avy eo, hoy hatrany ity olompirenena naneho ny alahelony ity. Etsy ankilan’izay moa dia ireny nohamarinina ireny fa tena fanapoizinana ara-tsakafo no nitranga teny Ambohimalaza ary nahafaty olona miisa 19. Maro dia maro ireo tranga ankehitriny, izay hita ho mampiseho izay fahapotehan’ny fiarahamonina malagasy izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT