Actualités

Potika be loatra ny ala Namoaka didy hentitra ny faritra Boeny


  • Zoma 25 Jolay 2014

Ho fanatsarana ny fitrandrahana sy fivarotana harona any amin’ny faritra Boeny dia namoaka didim-pitondrana mikasika izany ny eo anivon’ny faritra mba ialana amin’ny fahapotehan’ny ala be loatra any an-toerana. Raha ny zava-misy mantsy dia ny faritra Boeny no voalohany ahitana ala ripaka be indrindra eto Madagasikara nefa tsy dia voasarika amin’ny fambolena hazo ho solony

Ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy ny ala no handray an-tanana ny fanaraha-maso amin’ireo faritra izay efa tena tsy azo hikapana hazo intsony miaraka amin’ny vondron-bahoaka ifotony. Voafaritra ao anatin’io didim-pitondrana io fa misy ny vola aloan’ireo mpitrandraka sy mpivarotra ka ampahan’izany ny ao amin’ny kaominina, faritra ary ny VOI eto an-toerana.  Ezahina hahazo tombony avokoa ny faritra ahitana ny fitrandrahana ny harona io mba hampisy fidiram-bola maharitra sy fampandrosoana ny toerana nanaovana ny fitrandrahana. Araka izay dia ny GIZ no hidina eny amin’ny fokontany rehetra ato anatin’ny faritra Boeny sy ny manodidina hanisa ireo olona mpanao fitrandrahana sy mivarotra harona ireo izay ny datin’ny 23 septambra 2014 izao no farany andraisana ireo lisitra mpitrandraka sy mpivarotra arona ireo. Raha tsy tafiditra ao anatin’io lisitra io anefa ireo mpitrandraka ka manao ny asa tsy nahazoana alalana dia misy ny sazy miandry azy izay miafara amin’ny fitazonana ny entany. Tsikaritra tokoa izao fa tsy mifidy ireo ala na hazo izay kapaina ireo mpitandraka fa eny hatramin’ny hazo honko eny amin’ny sisin-dranomasina izay tsy azo kapaina hanaovana harona anefa dia mbola misy minia manao ihany izay ao anatin’ireny no hanatodizan’ny makamba sy ny drakaka.  Tokony hatsapa tena  ny rehetra amin’ny fampiasana sy fikapana ny ala ireny satria dia efa manomboka maro ireo hazo lany taranaka eny na ireo biby ao anatiny aza dia efa miala tao avokoa noho ny tsy fiasin’ny ala izay hipetrahany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT