Taorian’ny fanamarinana notanterahin’ny ekipa mpanara-maso eo anivon’ny Jirama dia voamarina fa vola mitentina 170 tapitrisa ariary no voahodikodina tao amin’ny Jirama any Port-Bergé.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa mpiasa eto anivon’ny orinasa ihany no ati-doha nikotrika ity asa ratsy ity izay niala tamin’ny toerany nanomboka ny 04 may ka tsy naharenesam-baovao hatramin’izao. Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny polisim-pirenena sy ny didy navoakan’ny mpampanoa lalàna dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitry ny Jirama ao Port-Bergé. Ny mpitantana ny Jirama dia mampatsiahy fa tsy handefitra na amin’iza na amin’iza manao asa ratsy mandatsaka an-katerana ny orinasa tahaka izao ary miantso hatrany ny fiaraha-miasan’ny rehetra ho sahy hitory izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.