Nipoitra indray ny Kolonely
Rakotomamonjy Patrick omaly, nanao fanambarana fanindroany mamely ny Fitondrana ankehitriny taorian'ny nanesorana azy tsy ho Talen'ny Birao fandraisana fitarainana teo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika. Miampanga olona ambony maro. Milaza fa misy manamboninahitra iray manome baiko hanala azy ao Fort Duchessne; naneho fa mitady ny fomba hisamborana azy io manamboninahitra io sy ny Kolonely Randrianirina Michael ; manamboninahitra 7 nohadihadiana taorian'ny krismasy ka anisany ny tenany sy ireo rahalahiny; nandrahona fa tsy hahazo azy ilay manamboninahitra iray ary hifankahita aminy. Milaza ity farany fa nisy ny fampihorohoroana na "intimidation" nataon'ny PRRM azy fony tao amin'ny Bureaux de doléances" mikasika fiarovana ny karana. "Tanindrazako ity fa tsy an'ny karana, tsy an'i Daya, tsy an'i Siteny! Mbola tsy nahita aho governemanta, Minisitra manao fitarainana amiko! Mpanapa-kevitra dia itondran'i Daya ekipa any an-tranony,...", hoy izy. Milaza mihitsy ity Kolonely ity fa misy Minisitra nametraka fitarainana any amin'ny Amnesty International. Notsongolohan'ity farany hatramin'ny fiara sy famataranandro. Niampanga ny Filoha ho mpanao kolikoly. Milaza fa efa saika hovonoin-dRavatomanga ny Filoha sy ny Kolonely Rapanarivo fa izy no nanavotra azy. Nolazainy fa navadika ho amin'i anaran'i Daya sy ny ADM ny dosie fitoriany an-dRavatomanga tany Maurice. Niampanga mpiambina akaiky ny Filoha ho mpanao "perquisition" manao sarintava. Mitory ny PRRM, mpanolotsaina ambony 4, manamboninahitra iray, Daya, Siteny,... any amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Milaza fa tsy manongam-panjakana fa miongana ho azy. "Misy fitaovam-piadiana aty amiko, ianareo sy Kolonely Gervais ihany no namatsy azy, andramo kitihina ihany ny fiainankaviako", hoy ity Kolonely ity toa nandrahona ny Filoham-panjakana sy ny Fitondrana ankehitriny. Fifandrifian-javatra ve ny hoe ao anaty toe-draharaham-pirenena mafampana no mipoitra manao fanambarana ity manamboninahitra ity?
AO AMBADIKA RAJOELINA SY NY EKIPANY?
Namaly tao amin'ny tambajotran-tserasera ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko nilaza hoe: "Raha manana porofo ianao fa nanao kolikoly aho, dia ento ampahibemaso izany. Raha misy porofo mazava, vonona aho hametra-pialana avy hatrany. Tsy matahotra ny marina aho. Fa raha tsy misy porofo, dia tsy rariny ny manaparitaka tsaho sy manimba olona.". Mikasika ny Filohan’ny Fanavaozana, nilaza ny PAN fa ny vahoaka Malagasy no hitsara ny asany. Efa hita sy tsapan’ny maro ny ezaka sy ny zava-bita: fiakarana karama 14%, fanomezana prime ho an’ny mpiasam-panjakana maro, fampidirana mpiasam-panjakana, fampihenana betsaka ny delestazy, fanamboarana lalampirenena, ary asa maro ho fanasoavana ny vahoaka. "Hatramin’izao, mbola tsy nahita porofo momba ny kolikoly nataon’ny Filohany Fanavaozana ny repoblika aho. Ny hita kosa dia asa sy ezaka ho fanasoavana ny vahoaka, ary isika rehetra samy mahita izany.", hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nilaza mazava ho tsy nanome baiko hisamborana manamboninahitra izany ny Filoham-panjakana. Izy izay nilaza tamin'izany fa tsy mandehandeha ho azy ireo zavatra mitranga sy miseho. Raha tsiahivina, nifanandrify tamin'ny nisehoan'i Andry Rajoelina tatsy Eswatini ny 7 febroary no nivoaka ny fanambaran'i Kolonely Patrick voalohany, taorian'ny nanesorana azy, ary io omaly io ny fanindroany. Ity farany izay raha ny tantara tany aloha, dia nijoro hifanandrina tamin'i Mamy Ravatomanga, fa tsy dia nikitika an'i Andry Rajoelina. Voatery niafina sy nitsoaka, ary nipoitra rehefa niongana ny Fitondrana teo aloha. Samy manana ny mety handraisany iny fanambarana nataon'i Kolonely Patrick iny rehetra. Ny azo lazaina fotsiny dia ny hoe : tsy kisendrasendra io ao anatin'izao vanim-potoana izao, tsy kisendrasendra ny hoe Tahina Bonheurs izay isan'ny manenjika mafy ny Fitondrana sy olona ambony samihafa no namoaka azy voalohany,.... Mety misy marina, mety misy diso,... fa miharihary ny hoe: poizina ho an'ny Fitondrana ny nampiditra azy tao anaty rafitra, tsy mahatana tsiambaratelom-panjakana, tsy miraharaha "obligation de réserve",... saingy mety amin'ny mpikirakira Facebook sy ny mpitondra mafia teo aloha ny fihetsiny. Misy aza moa ny miteny fa mety ho i Andry Rajoelina sy ny ekipany no manetsika azy ? Ao ny mametra-panontaniana hoe sao misy firenen-dehibe na vondrona ara-toekarena tsy mankasitraka aloha ny politika anatiny sy ivelany apetraky ny Fitondrana ? Na izany na tsy izany, tsy azo heverina ho diso 100% ny nambarany ka anjaran'ny Fitondrana ankehitriny no manitsy ny lesoka...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.