Nilatsaka omaly 27 oktobra ny toromarika
n°38-PM/25 manampy ny fanaphana vao andro vitsy n°117-PM/SGG noraisin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Nisy fepetra noraisina mikasika ny famerana ny fanekena ara-bola amin’ny tetibola na «Exercice budgétaire 2025 », indrindra amin’ireo fandaniana tsy manan-danja ara-tsakafo. Noho izany, nomena toromarika ny Minisiteran’ny vola fa nisy fanovàna natao tao amin’ny Rafitra Informatika sy Ifandrimbonana amin’ny Fitantanam-bola (SIIGFP) izay nitarika amin’ny fanakanana ny andalana tetibola rehetra amin’ny rafitra tetibola samihafa an’ny Fanjakana. Tafiditra amin’izany ny Tetibola Ankapobeny, Tetibola Fanampiny, Kaonty Manokana ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, Vola Fifanakalozana, Fampiasam-bola amin’ny Trosa Ivelany, ary ny Tetibola an’ireo Sampan-draharaham-panjakana. Ireo andalana ireo dia voasakana tanteraka amin’ny rafitra SIIGFP ka tsy azo anaovana fanekena ara-bola, afa-tsy amin’ireo fandaniana manokana izay voafaritra mazava. Anisan’ireo fandaniana tsy voasakana ny sokajy fandaniana mahazatra amin’ny karama sy ivelan’ny karama toy ny indemnité, fanampiana amin’ny fahafatesana, famindrana vola amin’ireo rafitra sy sampan-draharaha mifandray amin’ny karama sy tambiny, vatsim-pianarana sy karama mialoha, fandaniana amin’ny fisotroan-dronono, sakafo sy kitay ho an’ny voafonja, biby fiompy ao amin’ny Zandarimaria sy ny Fadin-tseranana, ary ho an’ny miaramila. Tafiditra ao ihany koa ny fanampiana ho an’ny mpampianatra FRAM, tambinkarama ho an’ny Lehiben’ny Fokontany, ary ny karama amin’ny sokajy fandaniana amin’ny fampiasam-bola anatiny. Nomarihina fa tsy voasakana ny tetibola an’ireo Faritra Mahaleotena. Ny fanakanana amin’ny rafitra informatika dia voafetra amin’ny dingana fanekena ihany, ka ny fanamarinana, fanomezana baiko, ary fandoavana amin’ireo antontan-taratasy efa nekena alohan’ny datin’ny toromarika dia azo tohizana. Etsy ankilany, ireo fandaniana izay heverina ho manan-danja na saropady dia tsy voasakana ary azo tanterahina amin’ny dingana rehetra. Tafiditra amin’izany ny fampiasam-bola amin’ny Trosa Ivelany, fandaniana amin’ny zanabola, rano sy herinaratra, hofan-trano, serivisy ara-bola sy mitovitovy aminy, saran-pitaterana amin’ny paositra, vola manokana ho an’ny Fiadidiana sy ny Praiminisitra, kaonty manokana amin’ny Tahirimbolam-panjakana ho an’ny kara-panondrom-pirenena sy pasipaoro, fanamboarana kara-panondrom-pirenena sy Lalàna mifehy ny Tetibola, fahazoan-dalana mitondra fiara sy kara-grise, saran’ny fitsarana heloka bevava, fandraisana anjara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, vola fanombanana ho an’ny Masoivoho ivelany, fiarovana ny tahirim-bola, fitaovana ara-pitsaboana sy fanafody, solika ho an’ny fitahirizana vaksiny, vola ho an’ny Tobim-pahasalamana fototra, fandefasana marary, fandoavana saran’ny fitsaboana ho an’ny mpiasa sy fisotroan-dronono, famindrana vola ho an’ny sehatry ny angovo, ary tetikasa fampiasam-bola amin’ny vola anatiny ho an’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Rano. Tsy voasakana ihany koa ny fandaniana avy amin’ny vola avy any ivelany satria manaraka fepetra manokana araka ny fifanarahana, boky torolalana, ary ny Plan de Travail Budgétaire Annuel. Heverina fa tafiditra ao anatin’ny politkam-pitsitsiana apetraky ny Fanjakana ny fanapahan-kevitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.