Politika sy fiainam-pirenena

Nodimandry i Monique Andréas Esoavelomandroso


  • Talata 18 Martsa 2025

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-80 taonany i Monique Andréas Esoavelomandroso,

vehivavy Malagasy nisongadina tamin’ny tontolo politika sy fiainam-pirenena. Manam-pahaizana ambony momba ny vola, Minisi-panjakana teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika nisahana ny Fitsinjaram-pahefana ny taona 2003-2004, Mpikamban’ny conseil des sages teo anivon’ny COMESA, vehivavy malagasy voalohany notendrena ho Sekretera Jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny taona 2004 ka hatramin’ny 2008, ary nanohy ny dian’ny fandraisana andraikitra maha-vehivavy voalohany teo amin’ny toerana “Médiateur de la République” teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2021,... Fantatra amin’ny fanoloran-tenany ho an’ny demokrasia sy ny fanajana ny zo fototra izy. Nampiseho ny fanohanana ny zon’ny vehivavy sy ny miralenta, tamin’ny alalan’ny fitantanany ny Plateforme des Femmes en Politique de l’Océan Indien (PFOI), ary tamin’ny fandraisany anjara mavitrika tamin’ny hetsika toy ny “Coalition Justice de Genre et Justice Sociale”. Vao herinandro lasa mahery kely izay izy no voatendry ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Mari-boninahi-pirenena avy amin’ny Faritanin’i Toliara. Indrisy anefa, tsy ho afaka hanatanteraka izany andraikitra izany intsony izy noho ny fodiamandriny omaly 17 martsa 2025. Araka ny fampahafatarana, andrasana eny amin’ny Villa Hanitra Ambohibao Antehiroka ny vatana mangatsiakany manomboka anio 18 martsa, ka mbola andrasana ny fandaharam-potoana manaraka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT