Actualités

Politika avo lenta Ampiadiana amin’ny TGV i Rajoelina…


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Tsy takona hafenina ny lonilony anatiny eo amin’ny samy olon’ny mpitondra, ary misy ny efa manangana saina fotsy.

 Miharihary io niainga teo amin’ny adin’ny samy andrim-panjakana, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny governemanta, taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana. Tsiahivina hatrany fa ny IRD ny maro an’isa ao anatin’ny Antenimierampirenena. Na miverina ao anaty governemanta aza ireo olon’ny 2009, tsikaritra ho tsy dia mibahan-toerana ny olon’ny TGV-MAPAR. Ara-politika, toa voadaka am-bavafo izany ny TGV eo amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Voageja sy tsy mihaino ary tsy mahita afatsy ny eo ambany masony ve I Andry Rajoelina ka tsy te hahalala intsony izany anjomaro ataon’ireo mpomba azy hafa? Raha hiverenana, ohatra, ny resaka fifandroritana politika. Misy amin’ireo depiote TGV no nandrirotra mafy sy nampaneno lakolosy ny tsy fankasitrahany an’ireo olom-boatendry sasany. Isan’ny niharihary ny an’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy izay depiote IRD voafidy tao Antananarivo IV, nitondra olona an-dalambe sy niantso ny Filoha hanala ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay marihina fa tsy TGV fa manana ny antokony manokana dia ny Freedom. Nitodika tany aminy anefa ny safidin’I Andry Rajoelina, ary tsikaritra ho isan’ireo olona tena mahazo avara-patana amin’ny Filoha ity Minisitra ity na eo aza ny fahasosoran’ny TGV. Mbola mifandraika kely amin’io ihany koa ny raharaha Bongolava itakian’ny depiote IRD Haja Ramaherijanona sy ny vahoakany ny fanesorana ny governora izay voalaza fa miray tendro amin’ny Minisitry ny serasera izay Freedom. Tena mihantsy ny TGV mihitsy ny Freedom, raha ny sary efa hita hatrizay tany Bongolava, ary mety hiitatra any amin’ny faritra hafa satria antoko no resaka eto. Mbola sary iray hafa maneho ny toa tsy nihainoana ny TGV ny fitakian’ny Depiote IRD teny amin’ny Boriborintany V eto Antananarivo Naivo Raholdina, izay nitaky ny hanesorana an'i Soafilira Princia fa tsy nohenoina, nitaky ny fanesorana ny Minisitry ny rano Fidiniavo Ravokatra ary namotsipotsitra mihitsy ireo afera sy raharaha mandoto ny Fanjakana fa nijanona ho antso an’efitra. Manana ny fijeriny manokana sy ny olona mety henoina kokoa I Andry Rajoelina. Akaiky fifidianana anefa izao, ary raha ireo olom-boafidy TGV tanisaina etsy ambony, ohatra, dia ireo heverina fa namono tena ho an-dRajoelina, efa mpikamban’ny Antenimiera misy hiditra faninefany, misy hiditra fanintelony, raha mbola lany. Efa manana ny vahoakany sy ny mpanohana azy amin’ny ankampobeny ka aleon-dRajoelina ve miantehitra amin’ny olom-boatendry toy izay olom-boafidy amin’izao akaiky fifidianana izao? Sa mitombina ilay hoe: misy tetika politika natao handemena sy hifehezana tanteraka an-dRajoelina ataon’ny mpomba azy ao anaty Fitondrana ihany
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT