Actualités

Politika ara-toekarena Mifototra amin’ny harinkarena ho an’ny rehetra


  • Sabotsy 13 Septambra 2014

Fanamby lehibe miandry ny firenena Malagasy taorian’ny krizy lavareny nandritra ny 5 taona ny famerenana amin’ny laoniny ny lafiny ara-toekarena.

Lalana iray ahatongavana amin’izany ny fanomezan-danja ny harinkarena. Tsy ampy anefa izay fa manana andraikitra goavana amin’ny fametrahana politika ara-toekarena mifototra amin’ny harinkarena iombonan’ny maro an’isa ny fanjakana Malagasy, araka ny fanamarihan’ny mpiandraiki-draharahan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Coralie Gevers. Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ny lafiny ara-tsosialy ny fitsinjarana ara-drariny ireo tombontsoa ateraky ny harinkarena matanjaka, hoy ny fanampim-panazavan’ity manampahaizana ara-toekarena vahiny ity. Efa mibanjina sahady ny folo taona manaraka moa ny Banky iraisam-pirenena ka namoaka tahirin-kevitra miisa 18 momba ny politika ekonomika nandritra ny enim-bolana voalohan’ity taona 2014 ity. Miompana amin’ny lohahevitra 3 lehibe izy ireo : fihariana sy fahombiazana iombonana, tolotra tsy manavaka ary fitantanana. Teo amin’ny 5% isan-taona ny harinkarena Malagasy teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2013. Nilatsaka mitovy tamin’ny taona 2003 kosa ny vola miditra isam-batan’olona tamin’ny taona 2013 izay nanodidina ny 27.000 ariary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT