Politika ao Nosy Be Hell Ville

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA


  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Tsy VFM no olana ho anay satria

samy manohana ny fitondrana, fa ny olona miditra ao anatiny izay mpivadibadika ara-palitao, hoy ny ARMA (Action pour la Refondation de Madagascar), tarihin’i Severin Jaofara Kamisy sy Omako Nahoda Abraham. Izany ve ny fitiavana vahoaka sy ny tombotsoan’ny tanàna sa ny tombotsoan’ny vahoaka no jerena ? Inona no asa vitany sy nataony ? Mendrika hotohanana ve ? Ny fitiavan-tseza sy fitiavan-toerana ve no himasoana sa ny foto-kevitra ? Ampagain’izy ireo ho ambadiky mivantana na ankolaka ny raharahan-tany ao Nosy be moa ny ben’ny tanàna. Tsy olana no olona fa ny fitantanana tsy mahomby, ny fivadibadihana palitao,… Mitoraka voninkazo ny VFM, samy manohana ny kolonely, fa ny olona eto an-tanàna nampidirina ao anatiny no mampalahelo, hoy izy ireo, izay nanipika fa manaratsy endrika ny VFM ny fidiran’ireo olona miovaova loko. Lasa misaraka ny sain’ny vahoakan’i Nosy Be, hoy i Severin Jaofara Kamisy. Raha ny tantara sy ny zava-bita no jerena, dia tsy mendrika ho ben’ny tanàna io. Maro ny zavatra tsy mendrika sy vitany : ny mpanolotsaina monisipaly mizara roa, naongana ny Filohan’ny filankevitry ny tanàna. Izay voavidim-bola aleo hiaraka aminy, fa na ny mpanolo-tsain’ny kaominina aza 8O% tsy mankasitraka azy. Ny vahoaka no nangataka hanoloana PDS nandritra ny fandolavan’ny PRRM teto, hoy izy ireo. Nanamafy ny fankasitrahana ny PRRM sy ny governemanta kosa teo anatrehan’ny famaliana fitakiana « audit » amin’ny kaominina, ka efa tonga ny « inspecteur d’Etat». Mangataka fa tsy mandidy mba havoaka ofisialy ny fitsirihana, tsy hisy mizana tsindrian’ila fa ho amin’ny fahaleovantenan’ireo mpanao fitsirihana. Raha azo atao dia mangataka hihaona amin’ireo mpanao fitsirihana, ary mbola misy dosie maro hafa ankoatra ireo nomena ny PRRM. Manamafy hatrany ny fangatahana fametrahana PDS. Ny rano no isan’ny notakiana teto Madagasikara, anisany i Nosy Be, izay isaorana ny PRRM nanome forage 4 eto. Goavana ny tambajotrana halatra tany eto, ka irariana ho tafiditra amin’ny iraka ataon’ireo inspecteur d’Etat, hoy kosa i Brice A. Velonjara mpitondra tenin’ny ARMA.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Voatendry ny mpandrindram-paritra

Hijery ny tohiny
FTT