Polisy mpiana-draharaha iray miasa ao kaomisarian’ny polisin’ny boriborintany fahaefatra isotry no nahatifitra tsy nahy ny namany sivily iray teo amin’ny lohany ka nahafaty ity farany, ny harivan'ny sabotsy05 septambra teo teny Isoraka.
Niara-nikorana tamina trano iray teny Isoraka ny mpinamana vitsivitsy ny harivan'io sabotsy io ka isan'izany ilay polisy. Vokatry ny sangisangy nifanaovana nandritra izany korana izany dia nahatifitra tsy nahy ny namany iray izy. Teo amin;ny faritry ny lohan'ity namany no voa ka nahafaty azy. Nitolo-batana tany amin’ny lehibeny avy hatrany ilay polisy nanao tatitra ny zava-nisy. Notanana avy hatrany ny tenany hatao fanadihadiana ka ny BC no nandray an-tanana ny raharaha amin’ny maha- vono olona azy. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA Amoefiloha kosa ny razana. Vao nandre izao raharaha izao ny Minisitry ny filaminam-bahoaka dia nanome baiko fa hatao mifanindran-dalana amin'ny fanadihadiana hataon'ny BC ihany koa ny fanadihadian'ny IGPN satria ankoatra ny maha-heloka famonoana olona dia misy ny fahadisoana arak'asa ihany koa. Araka ny nambaran'Atoa minisitra dia tsy ekena mihitsy ny fifampiarovana sy ny tsikombakomba eo amin'ny polisim-pirenena raha misy polisy mahavita heloka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.